Rehefa
miresaka momba ny hoe fanalavirana an’Andriamanitra, dia tonga ao an-tsainay
avy hatrany ireo olona izay, indray andro, teto am-piangonana, am-pahazotoana,
amin’ny maha-mpikambana, assistants, auxiliaries na pasitera, ary noho ny
antony iray na antony hafa, dia nivoaka ny fiangonana ary tafalatsaka any amin’izao
tontolo izao. Nefa, misy karazany telo ireo mpanalavitra, ndeha hojerena hoe
iza avy izy ireo:
Ireo
lavitra hatramin’ny fahaterahana: Ireo ilay noresahina tamin’ny hafatra farany
teo. Ireo dia olona, nandritra ny fahazazany, dia voavonjy noho ny fahadiovany,
fa rehefa tonga saina, dia niditra, mazava ho azy, tamin’ny tontolon’ny
mpanalavitra (vakio : Ny Tompon’ny mpanalavitra – Tapany Faharoa)
Ireo
mpanalavitra ny fiangonana: Ireo dia, indray andro, nahafantatra ny finoana an’i
Jesosy Tompo, nanandrana ny tombontsoany mihitsy aza, tahaka ny: fanasitranana,
fahagagana, firoboroboana, fahafahana koa aza, nefa tsy nateraka. Noho izany,
raha voatosiky ny toe-javatra, toy ny: fahoriana, tany efitra, fanenjehana; dia
nanaiky hoentin’ny fihetseham-po, lavitra an’i Jesosy Tompo sy ny fiangonana ka
niroboka indray eo anivon’izao tontolo izao.
Ireo
mpanalavitra mandrakizay: Ireo dia very nefa ao anatin’ny trano ihany. Tsy
nivoaka ny trano izy ireo amin’ny ara-batana, fa tahaka ny fiangoanan’i
Sardisy: “… Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty
ihany. Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy misy
hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro.” (Apokalipsy 3:1-2).
Misy
ireo izay ao am-piangonana, mandray anjara amin’ny zavatra rehetra, nefa ao
anatin’izy ireo ao, dia manalavitra an’Andriamanitra izy satria miaina
fiainana, miafina, ao anaty fahotana, nefa mino fa Andriamanitra dia manan-kery
amin’ny zavatra rehetra, mahay ny zavatra rehetra, ary amin’ny toerana rehetra.
Assistants,
assistantes, raha nampitandrina Jesosy fa hilaza hoe: “Fa Izy hiteny hoe:
Lazaiko aminareo: tsy fantatro na avy taiza na avy taiza hianareo; mialà amiko,
hianareo rehetra mpanao meloka.” (Lioka 13:27), tsy niteny tamin’ireo izay any
ivelany Izy, fa amin’ireo izay ao anatin’ny fiangonana.
Hitahy
anareo anie Andriamanitra.
Eveka Sérgio
Correia
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire