.

.

Ireo Mpanalavitra - Tapany II


 Niaraka tamin’ny fianjeran’i Losifera sy ny fahatongavany tety an-tany, narahin’ny ampahatelon’ny anjely izay tonga demonia, ny fahefany, ny vatany, sy ny hatsaran-tarehiny dia nesorina taminy avokoa.


Raha naniry Losifera, hanangana ny fanjakany tety an-tany, dia takany fa i Adama sy Eva dia nigoka fiombonana feno tamin’Andriamanitra, ary Adama nigoka ny fahefana tamin’ny tany, ary izany rehetra izany ihany anefa no nilainy hananganana ilay fanjakan’ny mpanalavitra. Ka vitany ny nandresy lahatra an’i Adama, nisarika azy tsy hankato an’Andriamanitra ka tonga voalohan-terak’ireo mpanalavitra.
Ankehitriny, ny taranak’olombelona rehetra dia miaina lavitra an’Andriamanitra, tsy ireo izay nahafantatra Azy indray andro ihany ka nandao Azy, fa ireo rehetra tsy nanaiky Azy na oviana na oviana teo amin’ny fiainany ihany koa.
Amin’ny fotoana ahaterahan’ny zaza, tonga eto an-tany izy miaraka amin’ny fahadiovana nananan’i Adama talohan’ny nanalavirany an’Andriamanitra. Raha maty izy, mbola zaza, dia ho voavonjy satria madio izy. Io fahadiovana io dia avy amin’ny fahaterahana ary tonga hatrany amin’ny taona fahatongavan-tsaina, io vanim-potoana io dia mifandraika amin’ny fotoana niainan’i Adama niaraka tamin’Andriamanitra. Rehefa tonga taona ny zaza, dia manomboka manaraka, mazava ho azy, ny lalan’ny mpanalavitra, satria ny hafetsena sy ny fahotana dia manomboka mitsiry ao am-pony. Miala amin’ny toetran’i Adama mpankato sy miombona amin’Andriamanitra izy, ka miditra amin’ny toetran’i Adama tsy mpankato sy lavitra an’Andriamanitra. Izany no làlan’ny olombelona rehetra izay efa lavitra ny Avo Indrindra, manao dingan-dava mankany amin’ny fiafaran’ny tompony: ny farihy afo sy solifara.
Andriamanitra mihitsy, raha naniry fihavanana amin’ireo mpanalavitra, no nitady vahaolana ka nanao ny hetsi-pinoana sy fitiavana lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, nanome ny Zanany Lahy Tokana Izy ho sorona ho fanavotana ny olombelona rehetra (1Timoty 2:5-6).
Ianao izay lavitra ny Tompo, tokony ho fantatrao fa ny toe-javatra misy anao dia mitovy amin’ny an’ny tompon’ny mpanalavitra (dia ny devoly). Mieritreritra angamba ianao hoe: “Mino aho fa misy Andriamanitra, Izy no Tompo, mino Azy aho”. Ry namako, jereo ny voalazan’ny Soratra: “Hianao mino fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany, ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.” (Jakoba 2:19).
Ianao izay assistant taloha, pasitera taloha, mpikambana taloha, vadina pasitera taloha, auxiliaire taloha, na hoe mbola tsy nandalo toe-javatra toy izany ianao, raha maniry ianao izao hiverina eo an-tratran’i Jesosy Tompo sy hihavana Aminy indray, eo amin’io toerana misy anao io, raha azo atao, ahondreho ny lohanao ary miresaha amin’Andriamanitra, manetre tena ary tolory Azy ny tenanao, mandray anao ny Fanahy Masina izao !

Raha tsy izany, fantaro fa raha lavitra Azy ianao dia ho loza ny ho avinao, misalasala ianao ny amin’izany? Inona no azonay atao mihoatra noho izay? Eo am-piasana izahay ary tsy reraka, ny mba hiverenanao, tahaka ny eo am-piverenan’ny hafa eo an-tratran’ny Ray.


Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!