.

.

Andro fahasivy amin’ny fifadian-kanin’i Daniela


Fitiavana, fitiavana, fitiavana

Ny teny hoe fitiavana, amin’ny grika taloha, dia nanana dikany telo: eros- izay mifandraika amin’ny firaisana; philos - izay mifandraika amin’ireo olon-tiana; ary agape - izay mifan- draika amin’ny fitiavana an’Andriamanitra.

Amin’ny teny hebreo, ny teny hoe fitiavana, ahava, dia tsy ahitana fihetseham-po.
Tamin’ny fanoratana voalohany ny Testamenta Taloha, ny teny fitiavana dia mahakasika hetsika mifandraika amin’ny finoana. Izay midika hoe manolotra tanteraka ny fiainany ho an’ilay olon-tiany mandrakizay ny olona iray, ka tsy manan-jo ny hisaraka. Sarotra ve izany? Sarotra rehefa miharo fihetseham-po ny fitiavana.
Koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra. Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. Marka 12.30-31
Ny fitiavana voalaza ao amin’ireo didy roa voalohany amin’ny lalàn’Andriamanitra ireo dia tsy misy ifandraisany amin’ny karazana fitiavana resahina ao amin’ny lahatsoratra grika taloha.
Tany am-piandohana, ny testamenta vaovao dia voasoratra tamin’ny teny grika, fa ny fanehoana fitiavana izay voalaza ao dia mitovy amin’izay ao amin’ny Testamenta taloha izay nosoratana amin’ny teny hebreo tany am-boalohany.
Raha heverina ho toy ny fihetsem-po ny fitiavana , tahaka ny voalaza ao amin’ny soratra grika taloha, tsy ho hay atao ny hitia Olona iray izay tsy Hita maso, satria ny fo dia mila mahita aloha vao mahatsapa. Misy dikany ve izany?
Ny ahava, izay takiana ao amin’ny lalàn’Andriamanitra dia mifandraika amin’ny fahatokiana tanteraka. Izany no atao hoe finoana.
Amin’ny maha fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina azy, ny fanehoana ny zavatra tsy hita – ny finoana miasa- dia mahavita mitondra ny olona iray hanolo-tena amin’ny Olona izay tsy Hita maso sy tsy Fantatra.
Io fanatitra io dia mihoatra ny fetran’ny fihetseham-po, na dia ny mahafinaritra indrindra aza. Satria mahakasika ny saina izy io.
Nino an’Andriamanitra i Abrahama. Ny finoany an’ilay Feo dia ampy nankatoavany Azy.
Noho izany, noheverina hoe marina sy tsy manam-pahotana izy teo anatrehan’ Andriamanitra, hany ka nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy. (Jakoba 2.23)
Izany karazana fitiavana izany no andrasan’ilay Nahary amin’ireo izay nohariany.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!