.

.

Andro fahefatra amin'ny fifadian-kanin'i Daniela

Nateraky ny Fanahy Masina ary vita batisan’ ny Fanahy Masina

Ireo dia zavatra roa samihafa tanteraka, anefa ny batisan’ny Fanahy Masina dia miankina amin’ ny fahaterahana avy amin’ ny Fanahy.
Ny fifandian-kanin’i Daniela dia manana tanjona roa:
Voalohany: Hitarika ireo izay manana fo tsotra ho amin’ ny fahateraham-baovao - izany no atao hoe nateraky ny Fanahy Masina.
Fa satria maro no efa nandray Azy (Jesosy), dia nomeny zo ho tonga zanak’ Andriamanitra izy ireo, hoan’ ireo izay mino ny anarany: ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon’ ny nofo, na ny sitrapon’ olombelona fa izay naterak’ Andriamanitra (Ny Fanahin’Andriamanitra).
Jaona 1:12-13
Jesosy dia nilaza: fa izay nateraky ny nofo dia nofo ary ireo izay nateraky ny Fanahy dia fanahy. Jaona 3-6
Faharoa: Hitarika ireo izay efa naterak’ Andriamanitra mba handraisany ny Batisan’ ny Fanahy Masina.
Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra… Asan’ ny Apostoly 2:1-4
Ireo izay efa feno ny Fanahy Masina tamin’ ny Andron’ ny Pentekosta dia efa naterak’ Andriamanitra.
I Apostoly Paoly dia nanana fahefana ny hametra-tànana sy nanao batisan’ ny Fanahy Masina rehefa nahazo antoka izy fa efa naterak’ Andriamanitra ireo mpianatra. Afaka jerenao ity andian-takelaka ity:
Ka nanao taminy hoe,”Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino hianareo” Fa ireo nanao taminy hoe: “tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina”. Ary hoy Paoly: ”Ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo?” Dia hoy ireo: ”Ho amin’ny batisan’ i Jaona” (Batisan’ ny rano)”.
Fa hoy Paoly, ”Jaona nanao batisan’ ny fibebahana ka nilaza tamin’ ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo.  Ary rehefa nametrahan’ i Paoly tànana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin’ ny teny tsy fantatra izy sady naminany.” Asan’ ny Apostoly 19:2-6
Afaka mandray ny batisan’ ny Fanahy Masina ve ireo olona izay miaina ao anatin’ ny fahotana?
Afaka mandray ny batisan’ ny Fanahy Masina ve ireo olona izay andevozin’ ny fahotana?
Tsia, tsia dia tsia!
Ahoana moa no ahafahan’ i Jesosy mameno olona iray ny Fanahiny raha toa ka mbola miaina ao anatin’ ny fahotana sy tia manota ilay olona?
Izany zavatra izany dia zavatra mifanohitra tanteraka, izany dia mitovy tahaka ny hoe olona iray izay manaiky ny tsy fahamarinana.
Voalohany tokony ho maty amin’ ny fahotany aloha izy, ary avy eo mibebaka.
Faharoa tokony miantso an’ i Jesosy Tompo izy ho amin’ ny famonjeny.
Ireny hetsi-pinoana ireny dia maneho ny fikatsahana sy ny fahatsoram-pon’ ilay olona ny amin’ ny Fanahy Masina, izay milatsaka amin’ izy ireo ka manao ny fahagagana ny fahateraham-baovao.
Jereo anie izay nitranga teo aloha:
Rehefa avy nampatsiahy ireo fahotany i Apostoly Petera , nanontany ireo Jiosy hoe inona ary no tokony ho ataonay?
Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka ho samy hatao batisa (batisan’ ny rano) amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy hianareo mba hahazo famelana (famelan-keloka) ny helokareo, ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.” Asan’ ny Apostoly 2:37-38
Izany dia midika fa mila mibebaka aloha (fahateraham-baovao) izay vao afaka mandray ny fanomezana avy amin’ ny Fanahy Masina (batisan’ ny Fanahy Masina).
Ny fibebehana dia tsy fahatsapana fanenenana.
Ny fibebahana dia ny fiekenao ny fahotanao, ary miala amin’ izany avy hatrany, mianatra mankahala izany ka miala lavitr’ izany.
Mbola averina ihany fa: Ny batisan’ ny Fanahy Masina dia mitranga aorin’ ny fahateraham-baovao.
Olona iray manana fahatsoram-po ve afaka ho ateraky ny Fanahy ary mandray avy hatrany ny batisan’ ny Fanahy Masina?
Azo antoka!
Iza moa no afaka manakana ny fiasan’ Andriamanitra?

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!