Mon nom est Raharisoa Florine. Autrefois, notre métier de famille était de vendre des cacahuètes. Dans tout cela, nous avons vécu une vie pauvre et vide. Honte, ironie, insulte, nous avons vécu tout cela à cause de la nécessité et de la misère. Lorsque je suis arrivée au Cénacle FVKFM, j’ai commencé à suivre différents propos, et c’est là que j’ai entendu parler de la Campagne de la Terre Sainte : l’opportunité pour me permettre de changer totalement mon histoire. En effet, la situation dans laquelle je vivais m’a mise en colère, cela m’a poussé à me révolter et à lutter comme les 300 vaillants de Gédéon. De e fait, j’ai décidé de sacrifier et j’ai pris tout ce que nous avions, je les ai vendus et je les ai déposés sur l’autel en disant à Dieu : «J’en ai assez de cette vie de misère». Là a commencé à changer notre histoire car l’un de mes deux fils est parti travailler à l’étranger et lorsqu’il est revenu, il a pu acheter six voitures, trois chacun pour les deux frères, et il a ouvert un magasin d’informatique, et lorsque Dieu nous a béni encore, nous avons pu acheter un terrain de trois cent hectares et une maison pour nous seulement. Je ne sais plus trop quoi dire mais notre vie a changé du tout au tout. Que la gloire soit uniquement pour Dieu.
Raharisoa Florine no anarako. Taloha dia mpivaro-boanjo no asanay mianakavy kely. Tao anatin’izany dia fiainana mahantra sy tsy fahampiana no niainanay. Henatra, eso, latsa, efa niainanay avokoa izany rehetra izany nohon’ny tsy fahampiana sy ny tsy fisiana teo aminay. Rehefa tonga tato amin’ny Senakla F.V.K.F.M aho dia nanomboka nanaraka ireo rojom-bavaka maro samihafa, ary teo no nahenoko ny fitoriana ny Ezaky ny Tany Masina: ilay fahafahana ahafahako manova ny tantarako. Nahatezitra ahy tokoa mantsy ny toe-javatra niainanay ka nanosika ahy hikomy sy hitolona tahak’ireo telon-jato mahery fon’i Gideona. Noho izany dia nanapa-kevitra aho hisorona ka nalaiko avokoa izay mba nanananay ka namidiko ary napetrako teo amin’ny alitara izany ka hoy aho tamin’Andriamanitra hoe: ”Leo an’izao fiainam-pahantrana izao aho”. Teo no nanomboka niova ny tantaranay satria ny iray tamin’ireo zanako ireo dia lasa niasa tany am-pita ka rehefa niverina avy tany izy dia nahavidy fiara enina, telo avy an’izy mirahalahy, ary nanokatra toeram-piavarotana irony kojakoja “informatique” irony, ary rehefa notahin’Andriamanitra hatrany dia lasa nahavidy tany telon-jato hektara sy trano ho anay manokana. Tsy hitako intsony izay ho ambara fa dia tena nitsimbadika tanteraka mihitsy ny toe-javatra rehetra teo amin’ny fiainanay. Voninahitra hoan’Andriamanitra.
Mme Florine
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire