.

.

Nahoana Satana no nameno ny fonao ka handainga amin’ny Fanahy Masina?

“Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina. Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka ihany, fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’izao fiainana izao, na amin’ny ho avy.” (Matio 12:31-32)


Ny ota tsy azo avela dia ny fitenenanan-dratsy ny Fanahy Masina. Rehefa nilaza momban’izany i Jesosy dia niresaka momban’ny fariseo rehetra izay nilaza fa nandroaka ny demonia tamin’ny alalan’ny mpanjakan’ny demonia Izy. Nolazainy izany fa ny Asan’ny Fanahy Masina izay notanterahin’i Jesosy Tompo dia asan’ny devoly! Izany dia niteraka fahamafisan’ny fo lehibe ka tsy nisy fanantenana ho an’ny fibebahana sy fiovam-po intsony ho an’ireny olona ireny. Tsy vitana akory ny mahita ny maha-samihafa ny ara-devoly sy ny Avy any an-danitra.
Misy ihany koa ny ohatra iray hafa, tao amin’ny fiangonana voalohany, dia mpivady izay nandainga tamin’ny Fanahy Masina, ka nisy fiantraikany ratsy tamin’izy ireo izany. Ny anaran’izy ireo dia Ananiasy sy Safira:
“Ary hoy i Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao ka handainga amin’ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin’ny tany? Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao ka va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao hianao? Tsy nandainga tamin’olona hianao, fa tamin’Andriamanitra.” 
 (Asa 5:3-4)
Tao aorian’ny nahafatesan’i Ananiasy sy Safira, rehefa nandainga tamin’ny Fanahy Masina izy ireo, dia tahotra goavana no nahazo ny fiangonana iray manontolo. Ary nanomboka teo dia tsy nahenoana mihitsy fa nisy olona namerina izany fahotana izany. Isika dia tokony manakana ny fontsika hiteraka vinavina ratsy mikasika ny zavatr’Andriamanitra ary mila mailo isika amin’ny fanana fihetsika feno fahatahorana sy fahatairana.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!