.

.

Ny baloma mainty

> lire en français












Nipetraka teo akaikin’ny vavahadin’ny fianarany ny zazalahy mainty iray niandry ny reniny.
Nandritran’izay fotoana izay, nijery tsara ilay mpivarotra balôma teo am-pita izy, izay nitady hanintona ny mpividy ka mamotsotra baloma iray hanidina.
Mena, mavo sy ny sisa.
Gaga ilay tovolahy, niampita ny arabe izy ary nanontany an’ilay mpivarotra:
-        Ramose ô, angaha ilay mainty tsy mba manidina?
Teo no ho eo dia noraisin’ilay mpivarotra ilay baloma mainty ary navotsony niaraka tamin’ny hafa.
Ka dia niteny taminy izy:
-        Ry zazalahy, ny mampiakatra ilay baloma dia tsy ny lokony, fa izay ao anatiny.
Noho ny antony maro samihafa, maro no manome antony tsy hiakarana ao amin’ny fiainana. Mamelona fanambaniana tena noho ny loko, tsy fahampian’na fianarana, vola, fahafahana, asa, satria nigadra taloha, mpangataka, matavy, ratsy tarehy, mahantra, tsy manana trano, sns…
Raha alalinina amin’ny laliny, izany rehetra izany dia voafehy ao anaty teny iray: fisalasalana.
Ilay fisalasalana mahatsiravina izay manakana ny tsirairay tsy handroso, na inona na inona fahaizany, fahafahany ara-tsosialy sy ara-bola.
Rehefa ny finoana no resahina, dia maro ireo manafangaro izany amin’ny fombam-pivavahana, amin’ny fiainam-bavaka, fandehanana matetika any am-piangonana sy zavatra mitovy amin’izay.
Mifanohitra amin’izay mety ho eritreretina, ny tena finoana dia tsy ifandraisana amin’ny fombam-pivavahana. Izy no herin’Andriamanitra miasa ao anatin’ny manetry tena (balôma) mba hampiakatra azy ho ambony indrindra.
Mampino ny tenany ny malemy izy ary manokatra ny fijeriny ara-panahy ho an’ny fanatanterahana ny nofinofiny.
Tsy zava-paona no hamaritana hoe:
fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
“ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin' Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy” 
(Korintiana I: 27-28)
Inona no nahatonga an’Andriamanitra hanao izany?
Mba hanehoana ny fahasamihafam-piainana eo amin’ny mino Azy sy ireo izay tsy mino.

> retour aux messages

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!