.

.

Ny Safidin’ny Fanahy


Mba efa noeritreretinao va fa angamba mety eo am-panomanana ny silam-panahinao ny Fanahin’ Andriamanitra ? 
Na koa eo am-panomanana anao ho an’ny olona iray efa vonona Izy?
Mety angamba ianao no mampiteredretra an’izany asa ataon’ Andriamanitra izany. 


Angamba tsy mba tianao ny hoe diso hevitra ka misisika amin’ny lalan-dratsy ianao.
Hamafisan-doha tanteraka.
Tianao hajoro ny sitra-ponao n’inon’inona vidiny.
Raha mbola izany ny toetranao, dia handeha ny fotoana fa ny manirery dia hitoetra foana.
Amin’izay tranga izay, rehefa ajanonao ny fitarainana ary farany dia miantoraka Aminy tanteraka ianao, hiditra an-tsehatra ny Fanahy Masina.
Andriamanitra tsy mba tara. Fa ireo mafy loha no maha-tara Azy.
Tsy mahatoky 100% izy ireo fa hotanterahiny izay nampanantenainy. Ny finoana dia tsy mitodika fotsiny amin’na sorona ara-bola. Ity farany ity dia tsy inona akory fa famantarana ny fiantorahana tanteraka sy tsy misy fetrany amin’Andriamanitra. Ao anatin’izany finoana izany, dia tsy mba very fotoana isika. Azerany amin’ny tany avokoa ireo fisalasalana, tahotra, ahiahy, fahataitairana. Ravainy avokoa ny bahana rehetra mampisaraka ny olona amin’Andriamanitra. Manomboka eo dia misy fifandraisana tanteraka amin’Andriamanitra Ray sy ianao. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina amin’ny Anaran’ny Zanany. Resy lahatra amin’izany ve ianao ? Raha Rainao tokoa Izy nahoana no tsy atokisanao ilay tiany ho anao? Nahoana ianao no misisika amin’ilay olona lazainao fa tena mety aminao? Mitoetra foana angamba ny fitarainanao satria ianao misisika hametraka olona iray mifanaraka amin’na fo efa voaloto.Mieritreritra ve ianao fa ny silam-panahinao dia tokony hanana toe-batana arakin’ny fonao? Ankafizina izy nohon’ny endrika arakin’ny fisainana tia fahafinaretana amin’ireny bokin’na lamaody sy hatsaran-tarehy ireny. Izany no nataonao tao an-doha ka misisika ho mafy loha ianao. Ny silam-panahy voafidin’ny Fanahy Masina dia manana endrika ara-panahy. Ny endrika ara-batana dia miha-malazo tahaka ny “fruit de la passion”. Fa ny endrika ara-panahy kosa dia miha-masaka hatrany mandra-pisarahana amin’ny fotoanan’ny fahafatesana.
Aza matahotra. Andriamanitra tsy mba diso safidy. 

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!