.

.

Ny vary sy ny tsimparifary




Ny vary sy ny tsimparifary dia teo anivon’ireo izay milaza azy ho an’Andriamanitra hatrany. Fa ahoana ary no fanavahana azy ireo satria tena mitovy izy ireo ? Ao anatin’ny saha iray izay mivelatra eto amin’izao tontolo izao, izay ahitantsika olona mandeha aty am-piangonana, mpikambana, assistants, pasitera sy eveka, iza moa no iza?


Ny fisehon’ny tsimparifary
Ny toetra iray hita matetika ananan’ny tsimparifary dia ny fihatsarambelatsihy, tsy tena izy izy, tsy marina izy, ny teny mivoaka ny vavany tsy mitovy amin’izay zava-misy ao am-pony.
“Dia tahaka izany koa hianareo: raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.” (Matio 23: 28)
Fanetren-tena: Io teny io dia tsy ao anatin’ny rakibolan’ny tsimparifary. Jereo tsara fa raha tazoninao eny an-tanana ny tsimparifary dia mihinjitra satria tsy misy voany manan-danja hampilefitra azy. Mihevitra ny tenany ho tsara noho ny hafa foana ny tsimparifary, tsy misy lanjany izay zavatra ataon’ny hafa. Manana fijery mihambo ny tsimparifary, izany hoe, mijery ny hafa avy any ambony ka hatrany ambany foana izy, mampiavaka azy ny hambom-po, diniho ny toe-javatra nitranga teo amin’ilay fariseo sy ilay mpamory hetra (Lioka 18: 9-14)

Hita matetika ny hoe, manao izay rehetra azony atao ny tsimparifary hanapotehana ny vary, ka hatramin’ny hoe mampijaly azy amin’ny endrikendrika sy fanaratsiana, manandrana manimba azy, fa amin’ny fomba miolaka sy miafina hatrany, miseho ho tony izy ety ivelany, fa tena poizina ao anatiny. Tahaka an’i Jodasy, izay niaina niaraka tamin’i Jesosy sy ny mpianany nandritra ny telo taona, ary tsy nisy tamin’izy ireo, afa-tsy ny Tompontsika, mazava ho azy, nahatsikaritra ny tena toetrany, izany hoe, toetran’ny mpamitaka sy mpihatsaravelatsihy.

Ny vokatry ny vary
Ny toetra marina no manamarika ny vary. Marina izy, tsotra, manana teny iray “eny dia eny, tsia dia tsia”, boky misokatra ny fiainany, satria mangarahara izy amin’ny zavatra rehetra. Mazava ho azy, mitoetra ao aminy ny Fanahin’Andriamanitra, mamiratra eo anoloan’ny olona ny fahazavany, ka manome voninahitra ny Ray any an-danitra izy amin’ny fihetsiny ka manazava ny manodidina azy. (Matio 5: 14-16)

Ny vokatry ny vary dia maneho ny fahasamihafany amin’ny tsimparifary, ary miaraka amin’ny vesatry ny vokany, dia milefitra ny vary amin’ny farany. Jereo tsara fa araka ny maha-betsaka ny vokatry ny Fanahy Masina ao amin’ny vary, no anekeny ny halehibeazan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Rehefa mihakely isan’andro izy dia mihevitra ho toy ny fitaovam-pandidiana eny an-tanan’ny mpitsabo mpandidy.

Hitanao fa ao amin’ny fandidiana mahomby dia ny mpitsabo foana no arahabain’ilay nodidiana fa tsy ny fitaovana fandidiana, na ny fitsongo, na ny hety izay nampiasainy; sa tsy izany ve? Noho izany, miaiky ny vary fa mila horanitina sy diovina tsara izy mba ho ampiasain’ny Mpahary azy.
Tahaka an’i Jesosy Tompo, ny vary dia enjehina ary ho enjehin’ireo any ivelany na ao anatiny hatrany hatrany, satria izy manaraka am-pahatokisana ny làlan’ny Tompony, izay efa nahita an’izany ao amin’ny bokin’i Jaona 15: 18-21. Raha tohizana ny firesahana momba ny tsimparifary, matin’ny fialonana izy mahita ny vokatry ny vary mameno ny sompitry ny fanjakan’Andriamanitsika, ary eo izy dia manjary naman’ny devoly hanenjika sy hanandrana hanapotika ny vary.
Vary ianao sa tsimparifary? Iza no namboly anao tao amin’ny sahan’ny finoana? Eritrereto izany.
Hitahy anareo rehetra anie Andriamanitra.
Eveka Sergio Correa.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!