.

.

Andron’ny Spa



Tsy mitsahatra mihitsy ny Assistants sy ireo mpikambana ao amin’ny Vondrona Caleb manao zava-baovao, ka ao anatin’izany, tamin’ny Sabotsy 23 Febroary lasa teo, dia nikarakara ny “Andron’ny Spa” izy ireo. Io andro io dia natokana hikolokoloana ny endrika ivelan’ny tsirairay, fa tsy hadinoina anefa ny mampianatra ireo mpikambana ny maha zava-dehibe ny fiainana ara-panahy.




Ny tena tanjona tamin’io andro io dia indrindra indrindra ny fanehoana amin’izy ireo fa mbola afaka manao zavatra maro izy ireo eo amin’ny fiainany, ary mbola mety ho tonga lavitra mihitsy aza.
Tamin’izany ireo mpikambana ireo dia, nolokoina ny volony, natao brushing, namboarina ny hoho, ny sasany indray notapahina ny volo ary nomena endrika vaovao. Izany hoe, niova endrika ireo “tanora fanahy” ireo, ary nahafinaritra ny nijery ny tsiky somary menamenatra hita teo amin’izy ireo. Jejojejo ery ireo vehivavy raha nivoaka avy teo ary lazaina mihitsy hoe, ny fiovana anaty no mahatonga ilay fiovana ety ivelany, ary izany dia misy fiantraikany lehibe eo amin’ny toe-tsaina sy ny fihetsehan’ireo “tanora fanahy” ireo.

“Mahatsiaro ho tanora aho, tsy ato an-tsaiko fotsiny fa eo amin’ny vatako ihany koa”, hoy ny vehivavy iray, raha faly izy maneho ny endriky ny volony vaovao. “Nolokoiko mainty ny voloko, hoy ny vehivavy iray hafa, avy eo aho hanao brushing, hanamboatra hoho ary hanaingo tarehy.”
Ny sasany indray nam- piseho ny fankasitrahany ary nisaotra ny Vondrona. “Tena faly aho ary feno haravoana ny foko”. “Mahafinaritra ny mahita ny tanoran’ny fiangonana mikarakara anay, hoy ny lehilahy iray, asa soa ataon’izy ireo ho anay izao. Tena isaorako be dia be izy ireo amin’izany”.
Tsy izany ihany anefa fa nandritra ny fotoana, dia nahazo sakafo maivana izy ireo. Ary dia nifarana tamin-kafaliana tanteraka sy tamin’ny fihetsiketsehana iny marainan’ny Spa iny.

==============================================================
 Français

A chaque fois, les assistants et membres du groupe ne cessent de faire des innovations et en ces termes, le Groupe Caleb a effectué le samedi 23 février dernier « LA JOURNEE DU SPA ». Cela consistait à s’occuper de l’apparence extérieure de chacun, sans pour autant oublier d’enseigner à chaque fois aux membres l’importance de la vie spirituelle. Cette journée avait surtout pour objectif de leur démontrer qu’ils sont encore capables de faire de nombreuses choses dans leur vie et qu’ils peuvent avancer encore plus loin. 

Ainsi, les membres du groupe ont pu bénéficier d’une coloration de cheveux, d’un brushing, d’une manucure et d’une nouvelle coupe de cheveux pour certains. En d’autres termes, ces « jeunes de l’esprit » ont pu changer de look et leurs sourires ravis ou un peu timides ont fait plaisir à voir. Les dames étaient toutes coquettes en sortant de là et il faut bien le dire, le changement extérieur est une conséquence du changement intérieur qui provoque un grand impact sur le moral et le dynamisme de ces jeunes d’esprit.
« Je me sens jeune non seulement dans ma tête mais également dans mon corps », a déclaré une dame en montrant fièrement sa nouvelle coupe. « J’ai teint mes cheveux en noir, a poursuivi une autre, et après je vais faire un brushing, une manucure et me faire maquiller »
D’autres par contre se sont montrés reconnaissants et ont tenu à remercier le Groupe. « Je suis vraiment contente et mon cœur est rempli de joie. » « Cela fait plaisir de voir les jeunes gens de l’église prendre soin de nous, a témoigné un monsieur, c’est une bonne œuvre qu’ils font pour nous. Je les en remercie infiniment. »
Mais il n’y a pas que cela car durant la séance, ils ont pu recevoir un petit goûter et cette matinée du SPA s’est achevée dans une ambiance dynamique et joyeuse.

> retour aux messages                                                                      > Voir les photos       

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!