.

.

Andro fahenina amin’ny fifadian-kanin’i Daniela

 
Eny, Andriamatoa fo

Mahangona mpanoratra efapolo ny Soratra Masina, amin’izy ireo dia misy mpanjaka, zanaka mpanjaka, filozofy, mpaminany, olom-panjakana, mpitsabo, mpamory hetra ary mpisolo vava.

Manana fihaviana samihafa izy ireo, ny sasany dia nianatra momba ny taranja rehetra tamin’izany fotoana izany, ny sasany kosa dia mpanarato tsy nandia fianarana loatra.
Nosoratana tamin’ny teny hebreo ny Testamenta Taloha. Misy lahatsoratra vitsivitsy voasoratra tamin’ny teny arameanina. Ny Testamenta Vaovao indray, tany amboalohany dia voasoratra tamin’ny teny grika, izay teny be mpampiasa indrindra tamin’izany fotoana izany.
Na dia nanana mpanoratra maro sy samihafa fihaviana, tsy nitovy fahalalana, ary tamin’ny fotoana samy hafa aza ny Baiboly iray manontolo, dia voasoratra tao anatin’ny 1600 taona eo no ho eo (eo anelanelan’ny taona 1500 alohan’i J.K sy 100 aorian’i J.K), na eo aza izany, dia tsy mifanohitra mihitsy izay voalazan’izy ireo. Izany dia noho ilay Mpanoratra Tokana, Eritreritra Tokana, Fanahin’Andriamanitra Tokana, ilay Mpanome Hevitra ireo mpanorany sy mpanompony.
Raha ny tena marina, ny Baiboly dia Andriamanitra no miteny mivantana amin’ny fahiratan-tsain’ny olombelona. Miteny amin’ny alalan’ny olona, miteny tahaka ny olona ary ho an’ny olona, fa Andriamanitra irery ihany no miteny.
Ary eo amin’ny fikolokoloana sy ny fieritreretana ny zanak’olombelona, dia hoy izy : “Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko hianareo, izay hitondra anareo amin’ny fahalalana sy ny fahendrena.” (Jeremia 3.15).
Tena zava-dehibe ny manamarika ao amin’ny fieritreretana lalina ny Baiboly fa, manasa antsika ny Fanahy Masina hampanjary fieritreretana finoana madio.
Finoana tsy misy fihetseham-po, tsy misy fahadisoan-kevitra, tsy misy fanarahana ambokony, ary farany, tsy miaraka amin’ireo fitaovam-pitsapana dimy. Saingy misy ny fahoriana, satria io no mahalehibe antsika, mahamatotra antsika ary mampitombo ny finoana.
Araka ny maha fitaovam-pitsapana fahenina azy, ny finoana mihoatra ny ara-boajanahary dia nomena an’ireo nateraky ny Fanahy, hahafahany mandresy an’izao tontolo izao, mba hitazonany ny famonjena mandrakizay ny amin’ny fanahiny.
“Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao ; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” (1 Jaona 5.4).
Tahaka ny hoe maheno izay tenenina ny sofina ara-batana, ary mahatsapa ny tsiron’ny sakafo ny lanilany, ny sofina ara-panahy indray dia maheno ny Teny tsaran’Andriamanitra. Ary manohana ny finoana mihoatra ny ara-boajanahary izay mandresy ny afoben’ny fisalasalana. Mora voakasika ny amin’ny Feon’Andriamanitra ny sofina ara-panahy, fa mahatohitra kosa ny feon’ny fo izy.
Indrisy anefa, fa saika ireo rehetra mitonona ho kristianina no alain’ny fihetseham-po an-kery.
Ho mpamonjy ihany no ilàny an’i Jesosy. Fa ny fo ihany no tompony.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!