.

.

Andro fahafito amin’ny fifadian-kanin’i Daniela


Ilay orok’i Jodasy

“Ary raha mbola niteny i Jesosy, indro, avy i Jodasy, izay isan’ny roa ambin’ny folo lahy, mbamin’ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona. Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.” 
Matio 26.47-48
Hanampiana anao fotsiny ao amin’io hafatra io, i Jodasy dia manambara ilay olona milaza ny tenany ho an’Andriamanitra, nefa tsy misy ifandraisany mihitsy amin’Andriamanitra; mifanohitra amin’izany aza, fitaovana ampiasain’ny devoly izy ireo hanatona tovovavy na tovolahy (assistant vavy na lahy, na mpikambana), izay tena am-pahatsoram-po, te-hahazo famonjena.
Tonga izy miaraka amin’ny demonia maro be, mitondra fitaovam-piadiana maro, hanimbana ireo fanahy sarobidin’i Jesosy Kristy Tompo, mampiasa ny tebiteby eo amin’ny fiainana ara-pitiavana.
Amin’ny andro ankehitriny, mahita olona maro isika ao am-piangonana, indrindra ny vehivavy – izay mora miditra kokoa amin’ny fihetseham-po, ao anatin’izany ny assistantes – izay tratran’ny orok’i Jodasy noho ny antony tena tsotra: navesatry ny torimaso ny maso ara-panahin’izy ireo, tahaka an’i Petera, Jakoba ary Jaona. 
Matio 26.43
“Mitsangana, andeha isika; indro efa akaiky ilay mamadika Ahy.” Matio 26.46
“Niari-tory sy nivavaka” i Jesosy, na hoe, niomana Izy hiady hanohitra ilay fanafihana avy amin’ny satana, izay tonga, tsy tamin’ny alalan’i Zakaiosy, izay tsy mpino ary mpangalatra akory, na tamin’ny alalan’ilay vehivavy tratra nijangajanga, na koa tamin’ny alalan’ireo mpanota maro niara-nihinana taminy, fa avy amin’ny olona iray niaina teo akaikiny, izay niseho ho manam-pinoana, nefa, ao anatiny, dia devoly. “Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?” Jaona 6.70
Ary tsy izany ve no hitantsika? Assistant sandoka, assistante sandoka, mpikambana sandoka, kristianina sandoka, mody manao akanjon’ny kristianina ary mikatsaka ny fahabangana ara-pitiavana eo amin’ireo izay voany, manatona amin’ny fomba fetsy sy mpamitaka, miombon-kevitra amin’ireo demonia izay efa nifanaiky tamin’ny famantarana: “Izay horohako no Izy; sambory Izy.”
Manatona miaraka amin’ny fiteny malefaka sy mahafinaritra izy, tahaka ny nataony tamin’i Jesosy: “Finaritra, Raby! Dia nanoroka Azy.”
Niari-tory sy tao anatin’ny fanahy i Jesosy. Ary ianao, ry assistante? Ary ianao, ry assistant? Ary ianao, ry vehivavy na lehilahy manirery izay maniry ny ho sambatra eo amin’ny fitiavana, hanambady ary hanorina tokantrano? Tsy misy diso akory amin’ireo faniriana ireo, lazaina avy hatrany izany, fa aoka ianareo ho mailo : tandremo ny fitebitebena, “Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.” 
Matio 26.41
Fanahy: fisainana, fahiratan-tsaina. Nofo: fo, fihetseham-po.
Manohy ny fitadiavana fanahy sarobidy ny devoly (assistants na vavy na lahy, sns.) hanipazany ny “orok’i Jodasy”.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!