.

.

Andro faha-iraika amby roapolo amin’ny fifadian-kanin’i Daniela


Ny fotoan’Andriamanitra 

Rehefa miaina araky ny fitsipikin’ny Fanjakan’ Andriamanitra isika, ny zavatra rehetra mitranga dia mahatsara antsika avokoa. Fantatrao ve nahoana? Satria ny Avo indrindra dia mahafehy tsara izay rehetra ao amin’ ny Fanjakany. Mino an’izany ve ianao ?
Ny olana iray goavana atrehin’ny vahoakan’ Andriamanitra dia ny fiainana ara-pitiavana. Andeha hojerentsika hoe fomba ahoana no hamahan’ Andriamanitra an’io.
Raha toa ny olony, ny mpanompony, ny mpanao sorona, na ny zanany, tia azy amin’ny fony manontolo, amin’ny fanahiny rehetra, miaraka amin’ny heriny rehetra, ary ny fahatakarany rehetra, ny valiny omeny dia fanomezana miavaka, izay mifandraika amin’ny fanirian’ny zanany (lahy na vavy) : vady (vavy na lahy).
Araky ny voasoratra hoe : “Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa sady mahita sitraka amin’i Jehovah.” Ohabolana 18:22.
Toy izao ny firafitry ny hazo fijaliana: ny ampahany mitsangana (ianao sy Andriamanitra) + ny ampahany mitsivalana (ianao sy ilay olontianao).
Indraindray, izany dia somary maka fotoana maharitra kely. Tsy ny mampaharitra ny fotoana anefa. Fa, manomana ilay olona tena sahaza anao izy. Na fanomanana anao ho an’ny olona iray izay efa vonona izy. Na amin’ny fomba ahoana na ahoana, raha toa izany no mitranga aminao, aza miahiahy, misahiran-tsaina na mitaintaina, satria izay mino dia tsy mandositra, tsy maika ary tsy mihazakazaka.
Ary satria voasoratra ihany koa hoe “fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona”. Habakoka 2:3.
Io teny io dia mahatanteraka ny teny fikasan’Andriamanitra ho an’ireo izay mino. Mino an’izany ve ianao?
Inona no fomba fiadin’ny devoly hanafihana ireo voafidin’Andriamanitra? Fantany ny zavatra ilaintsika, indrindra mikasika ny fiainana ara-pitiavana. Noho izany, mampiasa ireo zanany ny devoly mba hiteraka fitaintainana ao ampon’ireo voafidy.
Rahoviana ianao no hanambady? Manana olon-tiana ve? Tandremo, hijanona ho mpitovo ianao, sns. Vokany dia, vitany ny mampahalemy ny finoan’ireo mpino sasany. Amin’ny fanafihana faharoa, manandrana izy manipy fisalasalana amin’ny teny fikasan’Andriamanitra. Dia mitohy hatrany....
Raha tsy manana diloilo ambiny ny mpino iray, dia mety ho faty ny fitoeran-jirony, ka hianjera any amin’ny aizina izy.
Ry havako, aza mamita-tena ianareo! Hitanareo ve hoe tsy mahatoky ny Tompontsika? Hitanareo ve fa tsy afaka mikarakara, na dia ny kely indrindra eo amin’ny fiainantsika aza izy? Tsy afaka manome izay ilain’ireo olony ve izy mikasika ny Fanjakany? Ny adala ihany no afaka hisalasala amin’izany !
Mazotoa misaotra Azy, ary izy hanatanteraka ny fanirian’ilay fonao vaovao. Mahereza, ary tazony ny finoanao, satria ao amin’ny fotoan’Andriamanitra dia tsy misy fahatarana na oviana na oviana, na fialohavana. Ny zavatra rehetra dia mitranga amin’ny fotoana tokony ho izy. Ary rehefa amin’ny tsy ampoizinao, dia ho tanteraka ny fanirianao.
Aoka ho voatahy anie ianareo, amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo ary ho tanteraka anie ny nofinofinareo amin’ny fotoan’ny Rainareo.
Dia ahoana, Mino amin’izay ve ianareo?
Noho izany, andao ary hotohizana ny fifadian-kanin’i Daniela. 21 andro indray manomboka ny andro voalohan’ny taona 2012.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!