.

.

Tsy misy olana kamboty

Tsy kisendrasendra ny nilazan’i Jesosy hoe: «amin’ny alalan’ny voa no hamantarana ny hazo». Matio 12.33
Fantany tsara inona no tiany hambara ary aiza no tiany hahatongavany tamin’izay. 

Ho an’ny vaovao, hitantsika fa nampiasainy ny laojika: Raha manao tahaka ny izao, noho izany hanome an’izao. Amin’ity tranga ity, raha tsara ny voa, noho izany tsara ihany koa ilay hazo. Raha ratsy ny voa, noho izany ratsy ihany koa ilay hazo. Izany dia laojika, fahiratan tsaina, ary tsy azo hiandian-kevitra. Andriamanitra miantso antsika amina karazana fahiratan-tsaina toy izao. Ilainy isika hampiasa ny laojika mba hamantatra ilay fototry ny olantsika.Teo amin’ny asa fitoriako, efa tokony ho 20 taona mihoatra izay, nanoro hevitra olona maro aho izay nanana karazana olana  maro samihafa.

Vitsy ireo olona izay tonga manantona antsika ary mahafantatra hoe inona ilay fototry ny olany. Matetika ny olona dia te hamaha ireo olana izay hita maso fotsiny ihany, ireo izay miteraka fanaintainana amin’iny fotoana fotsiny iny ihany. Tsy takany anefa fa ny olana tsirairay avy dia manana fototra iaviany, manana fakany avy. Miresak’izy ireo mahakasika ny hahazoana asa, hanatsara ny fifandraisany eo anivon’ny fanambadiany, hamela ny fahazaran-dratsy, sns. Izany anefa, dia “ravina” sy “tahon’ilay” hazo fotsiny ihany izay manana fakany mbola lalina kokoa.


Tsy misy olana kamboty

Io olon’io dia tsy an’asa noho ny antony iray na maromaro. Ny tsy fahampiana fiseraserana dia vokatry ny antony goavana izay  maha lasibatra ny fanambadiana. Ireo fahazaran-dratsy dia fambara fotsiny ihany  fa tsy hoe ilay aretina mihitsy akory. 
Tahaky ny olona iray dia tsy teraka raha tsy ny fifandraisan’ny dadany sy ny reniny, tsy misy olana tonga ho azy. 
Laojika sy fahiratantsaina, ilain’Andriamanitra isika hitolona manohatra ny olantsika amin’ny fampiasana ireo fitaovam-piadiana ireo 

Maniry te hianatra ve  ianao ny fomba hampiasana izany?

> retour aux messages                                                                       > lire en français

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!