.

.

Tsy misy hazo misy raha tsy misy fakany

Ny rafitry ny fakany dia manana andraikitra roa ao anatin’ny fitomboan’ny hazo iray : izy dia tahaky ny famikirana ary ny fakany no mandray ny hamandoana izay ilaina raha tsy izany tsy mitombo ny hazo.
Ny fakany dia manana andraikitra mamikitra sy manao izay hampijoroana ny hazo tsy miankina amin’ny toetr’andro na amin’ny zavatra hafa entin’ny natiora. Orana sy masoandro, kotroka na rivo-mahery, ny hazo iray dia mety hiharan’ny fahasimbana mihitsy aza amin’ny vatany fa ny fakany dia manao izay hitazomana azy mijoro sy mihitsy.

Ny fakan’ny olana iray dia manana andraikitra mitovy. Tsy maninona izay mitranga amin’ny ampahany hita maso, ny “raviny sy ny tahony”. Rehefa mbola mitoetra ny fakany, izany dia manao izay hampijoro ilay olana ary manao izay hiverenany amin’ny toetrany taloha amin’ny fotoana maha-mety azy.
Ny asa hafan’ny fakany dia ny mamelona ny hazo. Izy no manome ny fitrandrahana ny sakafo sy ny rano ho an’ny fivelarana sy maha-maitso mavana izany, ary manome toerana hitehirizana ny sakafo.

Ny fakan’ny olana dia mamelona ilay olana ihany koa. Izy dia manao izay hitazomana ilay olana ho velona, na dia hoe matory aza izany mandritran’ny fotoana iray. Ny olona iray dia mety manana olana mandritran’ny taona maro nefa tsy mahita izany miseho raha tsy indraindray.  Nefa misy izany ary mitombo satria mamelona azy ny fakany.
Na inona na inona miantefa amin’ilay hazo, mijoro na milofika izy, izany dia mifandray mivantana amin’ny firafitry ny fakany.
Tsy misy hazo misy raha tsy misy fakany. Toy izay ihany koa ho an’ny olana iray. 

> retour aux messages                                                                 > lire en français       

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!