.

.

FIFADIAN-KANIN'I DANIELA - Andro fahairaika ambin’ny folo

Fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.   I Samoela 2:30 

Ny sasany dia mieritreritra ny zanany, ny fianakaviany, vady, sakaiza, olon-tiana, mihoatra noho ny eritreretany an’i Jesosy Tompo.

 
Ny sasany dia manome lanjany kokoa ny anarany, ny maha-izy azy, ny fiakarany an-tanatohatra eo anivon’ny asany, ny toerana misy azy eo amin’ny fiaraha monina, ny fananany ara-materialy mihoatra noho ny hanomezany lanja ny Tompo.
Ny sasany dia mikarakara mihoatra ny tranony, ny fiarany, ny firavakany, akanjo sy kiraro, mihoatra ny hikarakarany ny finoany kristianina. 
Ny sasany dia tia kokoa ny fiainany manokana mihoatra noho ny itiavany ny Mpahary. 
Ny sasany dia mirisika kokoa ho an’ny voninahiny manokana mihoatra noho ny hirisihany ho an’ny voninatr’Andriamanitra. 
Ny sasany dia mankatoa sy matahotra kokoa ny devoly noho ny hatahorany an’Andriamanitra.
Farany, ny sasany dia manana zotom-po mihoatra ho an’ny vatany mora maty noho ny zotom-po hanany ho an’ny fanahiny tsy mety maty.
Nefa, hoy i Jesosy Tompo an’ireo:
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany, 
Ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany Lioka 9:24
********************
Car j'honorerai celui qui m'honore, mais ceux qui me méprisent seront méprisés. 1 Samuel 2 :30

Certains pensent à leurs enfants, leurs parents, mari, épouse, fiancé ou petite amie plus qu’ils ne pensent au Seigneur Jésus.
Certains donnent plus de valeur à leur nom, leur réputation, leur carrière, leur statut social et leurs biens matériels plus qu’ils ne donnent de valeur au Seigneur.
Certains prennent soin de leur maison, de leur voiture, de leurs bijoux, vêtements et chaussures plus qu’ils ne prennent soin leur foi chrétienne.
Certains aiment plus leur propre vie plus qu’ils n’aiment le Créateur.
Certains investissent plus pour leur propre gloire plus qu’ils ne le font pour la gloire de Dieu.
Certains respectent et craignent plus le diable qu’ils ne craignent Dieu.
Finalement, certains ont plus de zèle pour leur corps périssable plus qu’ils n’ont de zèle pour leur âme immortelle.
Cependant, le Seigneur Jésus-Christ dit à ceux-là :
Car celui qui voudra sauver sa vie la perdra, 
mais celui qui la perdra à cause de moi la sauvera. Luc 9:24


Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!