Am-pifaliana
tanteraka no anoratako ny fijoroana vavolombeloko, araka izay nampanatenaiko
an’Andriamanitra.
Jenniffer
no anarako, 16 taona aho. 14 taona aho no niditra tao anatin’ny
asan’Andriamanitra, izany hoe 2 taona very fotsiny….
Rehefa nijery ireo « assistants »
aho, dia toy ireny trondro ivelan’ny rano ireny. Nahita aho fa niavaka
tamin’izy ireo, tsy nanana ilay herim-po toa azy ireo, tsy vitako ny hoe
mahery, satria ny hery ananan’izy ireo dia hery avy amin’Andriamanitra mihitsy.
Hitako fa nanana zavatra hafahafa aho tato anatiko, ary nangataka fanampiana
mihitsy aza aho, fa tsy tamim-pahatsorana tanteraka, ary henoko foana fa ny
fisalasalana dia avy amin’ny devoly, ka nafatotro izany, ary nandroso hatrany
aho. Fa feno fisalasalana aho, feno ahiahy. Nahatsapa aho fa hafahafa tao
anatin’ny vavaka fanafahana, fa nieritreritra aho hoe : « Mety fitaintainana amin’ny fotoana famoahana
ny devoly »
Niasa foana aho. Nieritreritra
mantsy aho fa raha manao ny zavatra amin’ny fomba tsara indrindra, dia ampy
izay, fa tsia ary nitohy nanana fanontaniana toy izao foana aho : « Tsy ara-dàlana izao, naterak’Andriamanitra
ve aho ? » ary avy eo indray : « Afatotra izany fieritreretan’ny devoly izany ! » Tsy
fantatro fa tato anatiko dia nisy fanahy mpamitaka… « Tsy nanota aho, ka nahoana moa aho no tsy ho naterak’Andriamanitra ? »
Dia tonga ary ireo fivoariam-bavaka niresaka momban’izany, fotoana vitsivitsy
izay, ny fitarihan’ny fiangonana dia nahatsapa fa maro tokoa ireo olona
nieritreritra fa naterak’Andriamanitra, nefa tsy izy.
Rehefa niteny ianao hoe :
« mety niantomboka tamin’ny lainga
tamin’ny voalohany ny zavatra rehetra, toy ny tamin’i Jakoba… » Eveka,
hitako fa niatomboka toy izay koa ny ahy. Nahatsapa nahazo aina kokoa aho,
namaha ny olan’ny fiainako aho, ary namela ny zavatra tany ivelany, ka rehefa
nanontany ahy ny pasitera raha vita batisan’ny Fanahy Masina aho, dia niteny
aho hoe eny, ary rehefa nanontany ahy izy raha niteny tamin’ny fiteny tsy
fantatra aho, dia nilaza ihany koa hoe eny, na dia fantatro tsara aza fa tsy
niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra. Nefa satria moa naniry ho assistante aho…
tsapako ankehitriny nahoana moa aho no tsy andresy ny ahiahy, ny tahotra sy ny
rehetra, satria ireo naterak’Andriamanitra ihany no mandresy izany. Tonga eto
aho nitantara ny fijoroana vavolombeloko satria omaly
aaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaah zany andro !
Azoko fa nila nanetry tena aho
ka niaiky ny fahamarinana. Rehefa niantso ny olona ho eny aloha ianao (raha
maniry hanao ny sorona marina izahay), nandeha teny aho – satria, raha ny
marina, tsy olana ny vola, fa tsy ampy fanoloran-tena tanteraka aho, fiekena fa
raha tsy nisy an’Andriamanitra dia tsinontsinona aho, fa « assistante »
tena nanolo-tena fotsiny aho – rehefa niverina tamin’ny toerako aho, dia nandohalika
ary niditra tao anatiko Andriamanitra ka nanaisotra ilay mpamitaka. Rehefa
niteny ianao hoe : « Tsy nahafoy anao na oviana na oviana
Andriamanitra… » Fifaliana be ny tao anatiko !
Eveka, tsy haiko raha nanazava
izany tsara aho, fa iriako hoe ireo « assistants »
ihany koa izay nandalo tamin’izany, dia hamaky ity ka ho tsotra ary hanetry
tena, satria hoaterak’Andriamanitra izy ireo.
Jenniffer
Faustino
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire