.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela


 
Isika izay ao anatin’ity vinavina ity dia efa nanokana ny asabotsy ho Andron’ny Fahatsembohana! Noho izany, tsy misy fialan-tsiny. Anaovy ny fitafiana natokana ho an’ny fanatanjahan-tena, na fitafiana hafa mety hanaovana izany dia ataovy ny adidinao amin’ny vatanao.


Efa niara-nitsangantsangana tamin’Andriamanitra ve ianao? Tena mampisy aingam-panahy. Afaka manao izany ianao mandritra ny 10 minitra, 30 minitra na adiny iray – izay tianao – fa manokàna fotoana androany, dia manaova fitsangantsanganana milamina hiresahanao amin’Andriamanitra. Jereo ny lanitra tsindraindray. Banjino ny Asany. Sokafy ny fonao.
Manana fahafahana manokana ianao androany hamelana heloka, hangatahana famelana, ary hamerina indray ny fifandraisana efa rava. Tsy terena ianao, fantatro fa misy ny trangan-javatra mora tohana ka ny mety dia ny mijanona amin’izao. Fa raha irinao ny hamadika ny pejy ka tsy te-hanana fihetseham-po ratsy intsony ianao amin’ny olona iray hafa, dia raiso ny finiavana ka antsoy ilay olona. Azonao fafana ny ratsy eo aminareo ka manomboha fifandraisana vaovao indray.
Ny toetra tsara dia fitondran-tena tsara ahazoana tombontsoa sy vokatra tsara. Faharetam-po. Zotom-po. Fahaiza-mandray ny hafa. Fahamoram-po. Fahononam-po.
Toe-panahy lafatra… Lava ny lisitra. Manana toetra tsara daholo isika rehetra, fa misy tsy ampy ao amintsika koa anefa. Ny asanao androany ho an’ny fivoarana dia ny mamantatra ny toetra tokony hampitomboinao ary manomboka miasa ho amin’izany.
“He! Ny manaraka no tsara noho ny fanatitra.” 1 Samoela 15:22.


Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!