.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela



Ho anareo rehetra izay naharitra tamin’ity vinavina ity, arahabaina ianareo. Niaiky ianareo ho amin’ny fampivoarana ny fiainanareo ary tena maniry ny ho tsaratsara kokoa hatrany ianareo.


Ianao izay tsy nanao ny asa sasantsasany, nandingana andro vitsivitsy ianao, tsy vitanao ny asa sasany, aza manasazy tena noho ny amin’izany (ny ahy koa misy asa tsy vitako). Efa mba naharitra ianao.
Fa indro ny vaovao mahafinaritra.
Androany, tsy hanome asa vaovao ho anao aho, fa toromarika no omeko anao, manaova jery todika ny asa rehetra nomena nanomboka tamin’ny andro voalohany ka hatramin’ny omaly. Izay no asanao androany.
Vakio indray tsirairay, ary jereo izay vitanao soa aman-tsara. Mariho amin’ny aeo akaikiny. Arahabao ny tenanao noho izay vitanao. Eo akaikin’ireo asa tsy vitanao kosa, fa mbola tokony ho vitanao, asio X. Avereno soratana amin’ny taratasy hafa, ary ao anatin’ny fito andro ho avy dia ataovy daholo. (Tsy ilaina ny hanaovanao ny asa tsy mahakasika anao).
Zavatra iray hafa : avereno jerena ireo tanjona nosoratanao tao anatin’ny asa sasany. Ataovy talaky maso, amin’ny toerana ahitanao azy isan’andro. Ovay ho vinavinan’asa ireo tanjona ireo – izany hoe, zarazarao ho dingana tsikelikely hataonao hahatratrarana ireo tanjonao. Ohatra, ny tanjona iray tokony hotratrarina ao anatin’ny enim-bolana dia mila dingana isan’andro na isan-kerinandro. Ataovy ary izany, miaraka amin’ilay tanjona ao an-dohanao hatrany, farito ny dingana tokony hataonao mandrapahavitanao izay kendrenao.
Eritreritra sy asa
Antenaiko fa nanampy anao ireo 21 andro ireo hahazoanao vokatra mahomby, ary namoha anao hanohy amin’ny làlan’ny famokarana bebe kokoa sy ny fifehezan-tena. Raha nandray anjara betsaka ianao teo amin’ireo lafiny dimy nokendrentsika tato amin’ity vinavina ity, ka nanao zavatra hatrany ho amin’izany, dia hahazo vokatra tsara kokoa ianao eo amin’ny fiainanao. Nahoana àry no hijanona?
Tiako harahinao ireto dingana ireto :
1.  Tohizo ny fanarahana ity blog ity isan’andro. Raha tianao, afaka misoratra anarana ianao (raha tsy efa misoratra) ary hahazo filazana ao amin’ny mailakao isaky ny mamoaka lahatsoratra vaovao izahay.
2.  Soraty ery amin’ny faran’ity takelaka ity ny fanamarihanao, tantarao ny traikefanao tamin’ny fanatanterahana ny asa tato amin’ity vinavina ity. Lazao anay izay tena nanampy anao. Inona ny asa sarotra indrindra ho anao? Inona no nanokatra ny sainao? Inona no tena fanamby ho anao? Inona ny asa tianao indrindra? Ary ny tsy tianao? Izany hoe, zarao aminay izay tsapanao.
3.  Raha te-hitahiry ireo asa ireo ianao, dia tsara raha raiketinao ao anatin’ny solosainao ireo, satria ato ho ato dia hoesoriko teto ireo. Raha mangataka amiko ianao avy eo hoe “Azafady, mba alefaso amiko ilay asa toy izao…”- miala tsiny aho fa tsy afaka handefa.
4.  Aza mitsahatra ny mikatsaka fahatsarana. Izay tsy mihatsara dia miharatsy.
Anisan’ny tanjoko ato amin’ity blog ity ny manao fanamby hahatonga anao ho olona tonga lafatra, amin’ny zavatra rehetra, ary mampiasa ny fahiratan-tsainao ara-panahy.
Misaotra betsaka amin’ny fitsidihanareo isan’andro, isaorako ireo rehetra manoratra ny fanamarihany. Voavakiko avokoa izy rehetra. Tena manan-danja ianareo ho ahy. (Ianareo izay tsy mbola nanoratra ihany koa. Fantatro fa ao ianareo …)
Amin’ny vinavinam-pinoana manaraka indray àry, tsy ho ela izany!





Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!