Zavatra iray ny
hoe mandeha any am-piangonana; zavatra iray hafa ny mandeha any am-piangonana
miaraka amin’ny hetaheta handray an’Andriamanitra. Raha mankany am-piangonana
ianao androany, dia mankanesa miaraka amin’ny tanjona. Aza misahirana amin’ireo
olona izay ho avy ao na izay tsy ho avy, amin’ny akanjon’ny sasany, ny fomba
fitorian’ny pasitera teny, izany hoe – aoka ianao hanana tanjona iray:
Andriamanitra. Hahazo tombony kokoa ao amin’ny fivoriam-bavaka ianao amin’izay.
Fahasalamana :
tiako ny kiendiendy. Fa raha tafahoatra dia tsy tsara ho an’ny vatana. Noho
izany, tsy hihinana zavatra voaendy isika androany. Ary raha azo atao ny
mampihena ny kiendiendy ao anatin’ny sakafonao indray mandeha na indroa fotsiny
ao anatin’ny herinandro (raha tsy vitanao ny manafoana azy tanteraka), dia
tsaratsara kokoa.
Fifandraisana
amin’olona : iza moa no tsy tia mahazo doka? Raha marina ny doka, dia mety
hanova ny tontolo andron’ny olona iray na hanova ilay olona mihitsy. Tsy
mahazatra ahy ny mandoka olona - tsy hoe tsy mahita antony handokafana azy aho,
fa saro-kenatra ny amin’izay. Noho izany, ho ahy dia tena ezaka izany, ary
inoako fa ho an’ny maro hafa koa. Fa lehibe tokoa ny voka-tsoa. Androany àry,
mariho zavatra iray tsara eny amin’ny olona iray – vady, zanaka, namana,
mpiara-miasa, sns. – ary aza hadino ny mampiseho ny fitiavanao amin’izany
zavatra izany. “Tiako ny lokom-bolonao vaovao” “Tena mahay mahandro ianao” “Efa
ela no tiako ny fahatsoranao”.
Mazava ny eo
amin’ny ara-bola. Aoka holazaina fotsiny hoe raha ahena ny akanjonao ka izay
ilainao ankehitriny ihany no tazonina, dia hahazo toerana malalaka kokoa ianao,
hahazo vola kely fanampiny raha amidy ny akanjo tsy ilainao intsony, na
hanampianao olona maro amin’ny fanomezana izany ny fikambanana iray, izay
hizara izany amin’ireo sahirana. Io asa io dia hahatonga anao hahatsapa fa raha
ny tena marina dia akanjo vitsy ihany no ilainao.
Ary aza hadino :
ny fahamarinan-potoana dia mariky ny fahaiza-miasa sy fanajana. Tongava
alohan’ny ora voatondro, fa tsy aoriana na oviana na oviana.
Rahampitso
indray!
Ny olon-tsotra mieritreritra ny handany
fotoana. Ny olona miavaka kosa mieritreritra ny hampiasana azy.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire