Eritereto ity: tonga eny amin’ny seranan’ny fiara manidina ianao ary mametraka 2.000.000,00Ar eo amin’ny « guichet » ary milaza hoe: “Tapakila iray azafady”, ka manontany anao ilay mpiasa ao: “Ho aiza?” ary mamaly ianao: «Azafady, aza adalaina amin’ny antsipirihany aho, fa sahirana be, omeo tapakila fotsiny aho, dia izay.»
Inona ary no hitranga ?
Mety hiantso ny «sécurité» ilay mpiasa ka ho entina ivelan’ny seranan’ny fiara manidina ianao ka mety hapetraka eny amin’ireny hopitaly ho an’ny marary saina ireny.
Adalana? Mampihomehy?
Nefa dia tena toy izay ny fomba hiainan’ny maro: tsy manana tarigetra, tsy manana tanjona. Mandeha fotsiny fa tsy fantany hoe hankaiza izy. Toy ny tenenin’ilay saka tamin’i Alice (Alice au Pays des Merveilles): “Raha tsy fantatrao hoe aiza no tianao aleha, ny lalana rehetra dia hitondra anao any.”
Ny tanjona dia manosika handrombaka. Raha tsy misy tanjona, dia azo antoka fa ho lany fotoana, fahafahana sy irika ianao.
Noho izany, ny tanjonao androany dia ny manoratra ny tanjonao ao anatin’ireo lafiny dimy eo amin’ny fiainanao - tokony tanterahinao ao anatin’ny fotoana voafetra izy ireo, izay apetrakao ihany, na hatramin’ny faran’ny taona 2012, na afaka herintaona.
Ireo tanjona ireo dia tokony voafaritra tsara, voarefy, azo tanterahina, manana fotoana voafetra ary tena manan-danja tokoa ho anao.
Tehirizo any amin’ny toerana izay mety ahitanao azy isan’andro ireny.
Rahampitso indray!
"Ny tanjona dia manome angovo izay manome hery ho an’ny fiainantsika. Ny anankiray amin’ny fomba tsara ahazoana izany angovo izany dia ny mifantoka aminy. Izay no afaka ataon’ny tanjona ho antsika: mampifantoka ny angovo ananatsika” – Denis Waitley.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire