Ny fomba tsara indrindra hahafantarana na manana ny Fanahy Masina ianao na tsia dia ny mandinika ny fiainanao miohatra amin’ireo vokatra sivy izay tokony ho hita ao amin’ireo izay manana Azy. Ny asa ara-panahy hataonao androany dia ny fandinihana amin’ny an-tsipiriany an’izany.
Mihinàna miaraka amin’ny maso – io no aretin’ny ankamaroany amintsika (izaho ao anatiny). Androany, ny asantsika dia ny mihinana kely fotsiny. Mihinana miadana kokoa, miala teo amin’ny latabatra mba tsy hijanona eo “hitsakotsako”, mamaly ny feon’ny vavony fa tsy ny an’ny maso – fomba vitsivitsy ireo hanampy anao. Raha toa ianao tsy manana olana ny mihamatavy, androany àry dia diniho fotsiny raha mahasalama ny sakafo haninao isan’andro ka jereo raha misy tokony hovaina.
Eo amin’ny fifandraisana amin’olona, zava-marina ny hoe ny fanakianana mba hampiova olona iray dia tsy mahomby. Efa nilaza i Jesosy hoe tokony hataontsika amin’ny hafa izay tiantsika hataon’ny hafa amintsika. Raha tsy tianao ny terena hanao zavatra dia aza manery ny zanakao na ny vadinao, na olona hafa ihany koa. Raha miova ny olona iray dia satria te-hiova izy, fa tsy hoe tian’ny hafa hiova. Noho izany ialao ny faneriterena, ary mangataha fahendrena amin’Andriamanitra mba hahaizanao mamporisika ny olona hiova noho ny faniriany hiova, fa tsy noho ny fanerenao azy.
Fanamby tena mahaliana ny eo amin’ny ara-bola. Mila vola ianao nefa tsy anananao ilay izy. Ampahany fotsiny amin’ilay ilainao no anananao. Inona no tokony hataonao mba hampitomboanao an’izay anananao ho avo roa, dimy na folo heny mihitsy aza. Azo atao ve ny mampitombo ny Ariary ho ariary 10? Ary ny 10 ho tonga 100? Ary ny 100 ho 1000? Ny vokatr’io fanamby io dia afaka manome anao izay ilainao ary hevitra tena mahomby io amin’ny fandraharahana … Ho an’ireo izay mino izany. Aoka ireo izay hanao an’io hilaza amiko ny vokany avy eo.
Rahampitso indray.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire