.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela



Ny tena tanjon’ny Fifadian-kanin’i Daniela dia ny Fanahy Masina. Ny asa ara-panahy hataonao androany dia ny misorona ny torimasonao ka hitady azy amin’ny iray amin’ireo ora voalaza. Tianao hatao amin’ny ora hafa ve? Tsy maninona fa ataovy.


Tsara raha ataonao andro handemana akanjo ny asabotsy – ara-bakiteny io. Ho hitanao fa ho tsara kokoa ny fahavononanao sy ny tanjakao.
Mety misy olona ao amin’ny fianakavianao tsaroanao amin’ny fotoana tsy ampoizinao. Angamba ny eritreritrao mampatsiahy anao fa tokony hiantso an’io olona io ianao. Araraoty ny faran’ny herinandro ary antsoy io olona io.
Eo amin’ny ara-bola : hevero ity fitsipiky ny mpandraharaha lehibe iray : “Aoka ianao hampiasa ny 70%n’ny karamanao; tehirizo na ampitomboy ny 20%; fa omeo an’Andriamanitra ny 10% voalohany.” Ohatra, raha mikarama 1 000 000 Ar ianao, alamino hoe 700 000 Ar ihany no ampiasainao amin’ny zavatra ilainao, tehirizo na ampitomboy ny 200 000 Ar, fa atokany hatrany ny fahafolon-karena ho an’Andriamanitra. Azo ampiharina amin’ny orinasanao koa izany raha manana ny raharahanao manokana ianao.
Angamba ianao mamaky an’ity lahatsoratra ity amin’ny solosainao, izay tonga mahazatra sy ilaina ny fampiasana azy. Raha mitendry tahaka ny mitsipona katsaka ianao, ny zavatra tokony hataonao dia ny mianatra mitendry tsy an-kijery – mora izany fa tsy araka ny eritreretinao. Misy tranonkala ahafahanao mianatra izany maimaipoana – ilaina fotsiny ny fanaovanao azy manara-pitsipika. Ity misy tranonkala maimaipoana iray: http://fr.typingweb.com. Misy koa fianarana andoavam-bola azonao apetraka ao amin’ny solosainao.
Rahampitso indray.



Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!