.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela


Arahabaina ianao izay mbola ao anatin’ity vinavina ity. Olona manam-paharetana ary hahazo valisoa ianao ho vokatr’izany.

Androany isika dia hampiasa bebe kokoa ny lohantsika. Hieritreritra isika, handinika, hihevitra, handrindra. Avy eo handray fanapahan-kevitra.
Misy ny olona tena poizina ho antsika. Tsy manome na inona na inona, fa mameno antsika amin’ny fisalasalana, korontana ary tsy maniry soa ho antsika araka ny filazany. Tahaka ny nanoroan’i Jesosy hevitra ny mpianany mba hanalavitra ny zavam-poanan’ny fariseo, andraikitrao androany ny mahafantatra ny karazan’olona toy izany ary manalavitra azy eo amin’ny fiainanao. Minoa, tsy ho very na inona na inona ianao.
Eo amin’ny ara-bola, ampiasao ny herin’ny faminavinana (izay sampana iray ao amin’ny finoana). Vinavinao miaraka amin’ny antsipiriany, ahoana no itiavanao ny fiainanao araka asa, ny raharahanao, ny fandrombahanao, ny tahirinao, ny fahalalahanao ao anatin’ny 12 volana. Ataovy miraikitra ao an-tsainao izany sary izany. Mankanesa any, an-tsaina. Jereo ho toy ny efa tanteraka izany amin’ny mason’ny finoanao. Ary aza hadino izay hitanao.
Ny miteny amin’ny fiteny iray hafa dia toy ny pasipaoro ho an’ny hirika vaovao. Ary raha tsy havanana loatra ianao amin’ny fitenenana fiteny hafa, ny mifandray tsara amin’ny fiteninao dia manokatra varavarana ihany koa. Hevero izany.
Farany, rehefa avy nandany ron-doha ianao, ny asa farany amin’ity tontolo andro ity dia ny matory mandritra ny adiny 7 fara-fahakeliny. Iza moa no hihevitra hoe, amin’izao vaninandro izao, asa izany hoe matory… Marina izany, betsaka foana ny zavatra tokony hatao, fa tsy tokony hohadinoina ny mamahana ny bateriantsika.
Manàna nofy tsara, rahampitso indray.


Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!