.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela


Ho an’ireo izay tsy nahavita ny asa rehetra: kivy ny sasany satria tsy nahatanteraka ny asa tokony hatao amin’ny tontolo andro ary manontany tena izy ireo raha mbola ilaina ny manohy, satria efa tsy vita ny sasany. Ny valiny dia: 



Mazava ho azy fa mbola ilaina. Tsy hilatsaka eo ambony lohanao akory ny varatra raha tsy vitanao ny asa iray. Mazava ho azy fa tokony hiezaka ianao hanatanteraka ny asa rehetra, fa raha misy tsy vita, dia mirosoa ihany manao ny asa manaraka. Raha afaka mamerina ny asa tsy vita teo aloha ianao, vao mainka tsara. Raha tsy izany, aza manana ahiahy. Aleo mandroso toy izay mijanona an-dàlana.

Ireto ny asa androany. Anisan’ny tena hotsindriana anio dia ny mieritreritra ireo ahiahinao ka tsy mamela azy ireo hangalatra ny fiadananao, ny finoanao ary ny volanao. Betsaka ny zavatra vidiana noho ny ahiahy ateraky ny dokam-barotra sy ny fiaraha-monina. Tohero izany. Ampiasao ny atidohanao.
Eo amin’ny fifandraisana amin’olona, dia manasa anareo izahay haneho fisaorana sy fankasitrahana olona iray izay nanao ny tsy fitoviana teo amin’ny fiainanao. Ny fihetsikao, na dia tsotra aza, dia afaka manao ny tsy fitoviana eo amin’ny fiainan’iny olona iny.
Noresahintsika omaly ny momba ny fandresena fahazaran-dratsy iray, tena ilaina ny fanombohanao manao zavatra tsara hanoloana an’ilay zavatra ratsy. Ohatra, raha te-hiala amin’ny fahazarana miandry fotoana farany foana ianao, dia tokony hanomboka hizatra handamina ny fotoananao sy ny fandaharam-potoana - ary tsy hiandry fotoana farany mihitsy amin’ny fanaovana zavatra iray, rehefa tsy azo atao intsony ny manemotra azy.
Aoka ianao ho voatahy, rahampitso indray àry.


Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!