.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela


Toro-hevitra tsara ny manomboka ny tontolo andro amin’ny firesahana amin’ Andriamanitra hatrany. Alamino ny fotoananao mba handinihana ireto andinin-teny momba ny finoana ireto.

 
Eo amin’ny fahasalamana, ny ankamaroany amintsika ankehitriny dia, na mihinana diso tafahoatra na tsy mihinana ny tokony ho ampy. Tena ratsy ny fahazaran-dratsin-tsika eo amin’ny lafin’ny sakafo. Hirika ity hahafahanao mieritreritra kely momba an’io resaka io, ka hitady izay mifandanja. Tadidio fa tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao. Ny fikarakaranao azy dia hetsika ara-panahy.
Raha savaina ny ao am-po, matetika ahitana fankahalana kely, fitsiriritana ny hafa, ratra sy ngidy izay tsy fantatsika akory ny fisiany ao. Tsara raha diovina ny rehetra, manao fanadiovana ara-pihetseham-po sy manala izay ratsy rehetra. Ny kojakoja mahomby indrindra hanaovana an’io fanadiovana io dia ny famelana.
Raha nanao ny lisitry ny trosanao ianao omaly, dia fotoana izao hanombohana mandamina ny dingana hanafoanana azy tsirairay. Mora kokoa ary mampahazoto ny manomboka amin’ny kely indrindra. Ataovy àry. Averiko indray, raha tsy manana trosa ianao, manaova zavatra miavaka hanatsarana na handaminana ny fiainanao ara-bola.
Farany, isika rehetra dia manana zavatra mihodina ao an-dohantsika ao toy ny kapila simba “Tokony hanao an’izao ianao, tokony hanao an’izao ianao…” Tsara izany. Andeha hoesorina io kapila io ka hatao amin’izay ny tokony hatao.
Rahampitso indray àry.
P.S. Nahoana àry raha mba manasa olona iray hiaraka aminao amin’ity vinavina ity? Roa ianareo amin’izay, ka hifanentana ny tsirairay avy.




Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!