.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela


Manasa anao aho, ianao izay ao anatin’ity Fifadian-kanin’i Daniela ity ( na te-hiditra ) mba hanararaotra an’ireo 21 andro ireo hitomboana amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainanao.


Isan’andro manomboka anio, dia hanolotra aminao asa 5 ho an’ny tontolo andro aho, izay mahakasika lafiny 5 eo amin’ny fiainanao : ara-panahy, fahasalamana, fifandraisana amin’olona, ara-bola, fivoarana.
Inona no anton’ity vinavina ity?
Tahaka ny hoe ny fifadian-kanina dia tsy ny fifadiana sakafo fotsiny ihany, ny Fifadian-kanin’i Daniela ihany koa dia tsy hoe miala amin’ny fijerena vaovaon’izao tontolo izao na ny fialam-boly fotsiny. Mila fisintahana amin’izany, fa mitaky ihany koa fihetsika hanampy anao hanakatra ny tanjonao.
Ny tanjon’ity Fifadian-kanin’i Daniela ity dia hanamafy ny fiainanao amin’ny ankapobeny, sy hanomana anao miaraka amin’ny herinao rehetra.
Ahoana no fampiasana ny tabilaon’ny asa?
Angamba, amin’ireo asa isan’andro ireo, tsy ny rehetra no mahakasika anao. Ohatra, ny asa androany ho an’ny fiainanao ara-bola dia momba ny trosa. Fa, raha tsy manana trosa ianao, dia afaka manolo an’io amin’ny zavatra hafa momba ny fiainanao ara-bola.
Ny soso-kevitra omeko, raha azo atao, ataovy amin’ny taratasy ity tabilao ity ary ento miaraka aminao mandritra ny tontolo andro, mba tsy hanadinoanao azy, ary koa hanamarihana izay vita.
Hanao ity vivavina ity koa aho miaraka aminao.
Handray anjara ve ianao?
Andao ary hanomboka ! Ireto ny asa anio :


Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!