.

.

100%


Nampiseho ny Tombontsoany Andriamanitra ny amin’ny famonjena anao, raha nanome 100 isan-jato ny Zanany tao Kalvaria.

Nitsangana tamin’ny maty Ilay Andriamanitra Zanaka, niakatra any an-danitra Izy, mipetraka eo amin’ny Seza fiandrianan’ny Voninahitra ary avy any Izy no nandefa ny 100 isan-jaton’ny Fanahiny hitantana anao isan’andro eo amin’ny fiainanao ety an-tany. Ary izany dia araka ny Teniny hoe: “Fa tsy misy fetra ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy.” (Jaona 3: 34)
Noho izany, na ianao manana Azy 100 isan-jato, na ianao tsy manana Azy.
Ahoana moa Andriamanitra Ray, Andriamanitra Zanaka, Andriamanitra Fanahy Masina no hietry ka hanaiky ampahany fotsiny amin’ny fiainanao, na dia hoe 99,999…% aza izany ampahany izany?
Rariny ve izany? Azo ekena ? Am-pahendrena?
Eritrereto hoe manone 100 % ho an’ny olona izay tianao ianao, nefa 99% no azonao ho valin’izany. Ampy ve izany?
Ekenao ve izany?
Eritrereto hoe omenao fanomezana maro tena lafo vidy ny vadinao, nefa, mamitaka azy ianao. Hanaiky an’izany ve izy?
Ary raha ny mifanohitra amin’izay indray. Hanaiky ve ianao?
Tsara izany!
Ny adala dia mieritreritra hoe azo atao izany amin’ny Tompo Fanahy Masina. Misisika izy ireo hino fa, rehefa lehibe ny fanoloran-tena eo ambony alitara na dia tsy 100% aza dia ampy hahazoana ny fahafenoana avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra.
Aza mamita-tena ry mpamaky Havana. Tsy azo atao ny mivazivazy amin’ Andriamanitra, tsy azo atao ny miady varotra amin’Andriamanitra.
Na isika maty ho an’ity fiainana feno filibana ity ka manolo-tena tanteraka ho an’i Jesosy Kristy Tompo, na tsy manao na inona na inona.
 

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!