Nangataka fiovana eo anivon’ny fianakaviako aho.
Nandritran’ny valo taona dia tao anatin’ny korontana sy fizarazarana ny fianakaviako sy teo aminay mpiray tampo. Rehefa mifankahita izahay dia toy ny ireny tsy mifankalala ireny, ka gaga ny maro satria tsy nifampiresaka mihitsy
izahay. Nangataka tamin’Andriamanitra aho mba hanova izany tao anatin’ny vinavinam-bavaka toy ity teto amin’ny FVKFM ity. Androany dia miaina ao anaty fiombonana sy fifankatiavana ny fianakaviana rehetra.
Mme Haja
Taloha aho dia «4-MI», mpisotro toaka, mpan-galatra ary mpijangajanga ihany koa. Rava tan-teraka ny fiainako ary tsy nisy lanjany intsony. Rehefa nandray anjara tamin’ny hetsika toy izao aho, ka nangataka tamin’ Andriamanitra dia nomeny fiainana vaovao tanteraka.
Afaka tamin’izany rehetra izany aho ka manana asa mahavelona tsara, trano sy fiara ahy manokana. Sambatra aho ankehitriny.
Mr. Jean de Dieu
Nandritran’ny taona maro dia nanana aretina teo amin’ny tratrako aho. Isak’alina dia tsy mety mahita tory, nahatsapa fanaintainana mafy ary tena nijaly tokoa aho.
Nanaraka fitsaboana tany amin’ny dokotera aho, nefa tsy nety sitrana, ary nitady mpanao ody gasy ihany koa.
Nangataka tamin’Andriamanitra mikasika ny fanasi-tranana ho ahy nefa aho ary sitrana tanteraka izao.
Mme. Seheno
I n o n a no a n g a t a i N A O ?