« Kilemaina » dia izay tsy mahavita manova ny fiainany manokana, ka manaiky ny zavatra apetraky ny hafa na ny fiaraha-monina izay hiainany, nefa tsy tonga saina fa izy no tompon’ny lahatra ho azy.
« Adala » dia izay tsy mitady ny ho sambatra miaraka amin’izay hananany.
« Jamba » dia izay mahita ny namany mila ho faty noho ny hatsiaka, na ny hanoanana, ao anatin’ny fahantrana, nefa tsy mibanjina hafa-tsy ireo olana sy fahoriana keliny.
« Marenina » dia izay tsy manam-potoana hihainoana ny namany rehefa mila manala ny ao anatin’ny fony izy, na koa mamaly ny kiakiaka-na rahalahy iray izay ao anatin’ny olana mandoza. Satria maika foana izy andeha hiasa sy hiantoka ny fahazoany ireo sisa kely raisiny amin’ny faran’ny volana.
« Moana » dia izay tsy mahavita miteny ka miafina ao ambadikin’ny fiantsarambelatsihy.
« Paralisisa » dia izay tsy mahavita mandeha mankany amin’ny hafa izay mila fanampiana.
« Diabetika » dia ireo izay tsy mahavita ny ho malefaka.
« Olona fohy » dia izay tsy mamela ny fitiavana hitombo.
Ary farany moa, ny ratsy indrindra amin’ny toetra ratsy dia ny « adiranovana » satria
« Fadiranovana » dia ireo izay tsy mahavita miresaka amin’Andriamanitra.