.

.

NY FANATINY, NY FIAINANY


Toy ny hoe ny Alitara dia manambara ny Avo Indrindra, ny fanatitra dia manambara izay manolotra azy.
Arak’i Jesosy, ny Alitara dia lehibe kokoa noho ny volamena sy ny fanatitra aterina eny, satria ny alitara no manamasina azy.
Manamasina dia midika hoe lasa masina, voasaraka, nohamasinana na natokana ho an’ny Tompo.
Ahoana moa no ahafahan’ny Alitara manana fahefana hanamasina raha tsy manambara an’Andriamanitra mihitsy izy ?
Eo anelanelan’ny Alitara sy ny fanatitra, dia tsy misy mpisorona (Matio 23 :17 ,19)
Izany hoe, eo anelanelan’Andriamanitra (Alitara) sy ilay mpanolotra (fanatitra), dia tsy misy mpanelanelana.
Ny fahafahan’ilay mpanolotra manantona ny Seza Fiandrianan’ny Avo Indrindra dia manokana sy mivantana.
Noho izany, izay te hanavotra ny fanahiny amin’ny afobe ;
Te hahazo antoka ny Famonjeny ;
Ary te hialoka ao ambanin’ny aloky ny Avo Indrindra ;
Tsy misy làlana hafa :
Apetraho tanteraka eo amin’ny Alitara ny fiainanao.

Jereo izany :
« Ny mitoetra ao amin'ny fierena (Fanatitra) izay an'ny Avo Indrindra, Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha (Alitara). Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.” (Salamo 91:1-2)




1 commentaire:

rakotoniaina herizo a dit…

Si vous voulez être SAUVER il faut donner votre vie sur l'autel de Dieu 100% parce que l'autel représente Dieu.

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!