.

.

Fanontaniana iray ho anao izay manambady

> Lire en français

Mieritreritra ny hivadika amin’ny vadinao ve ianao indray andro ?

Alohan’ny hamalianao, mieritrereta miaraka amiko. Rehefa mikasa hanao zavatra isika, dia miditra ao anatin’ny planina hahatanteraka izany ny eritrerintsika. Mandeha ho azy izany satria toy izay ny fiasan’ny saintsika. 

Rehefa manambara ny sitra-poko amin’ny saiko aho, amin’ny maha-mpanompo tsara azy, dia manomboka mitady ny fomba ahatanterahana izany izy.



Noho izany, raha mikasa hividy BMW aho, ohatra, ny saiko dia hilaza amin’ny masoko fa tokony hijery ireo BMW mandalo eny an-dàlana izy. Tampoka eo, dia manomboka mahatsikaritra ireo fiara ireo tsy toy ny teo aloha aho. Toy izay ihany koa ireo mpanjinjaran’ity « marque » ity. Mitady amin’ny internet aho momban’ny modely, « options », vidiny sy ny mikasika azy rehetra. Manao « comptes » aho mijery raha afaka mividy, ary raha tsy afaka, inona no tokony ho ataoko mba ahafahako indray andro, manao izany. Miresaka amin’ireo namako izay mahalala mikasika ny fiara aho. Ary toy izay hatrany. Tsy hitsahatra hiasa ny saiko hatramin’ny fotoana farany hoe, azoko ilay BMW tena niriako – na rehefa ajanoko ilay hevitra. Fa ny rehetra dia nanomboka tamin’ny faniriana, fikasana.
Aoka ary isika hiverina amin’ny fanontaniantsika tamin’ny voalohany.
Raha mikasa hampirafy ny vadinao ianao indray andro, dia tafiditra ao anatin’izany drafitra izany, ka noho izany dia efa eo am-piasana ny sainao hanatanterahana izany. (Manantena aho fa hanao ny asany feno izy ka hanaitra anao amin’ny vokatr’izany fihetsika izany, toy ny fisarahana mandany vola, ny henatra eo anatrehan’ny fianakaviana sy ny namana, ny fanamelohana izay havesatra mandritran’ny taona maro, ny fahadisoam-panantenan’ny ankizy, ny mari-pankasitrahan’ny vendrana indrindra eo amin’ny rindrina… sns.)
Fa raha tsia marina ny valinteninao, fa tsy mbola nikasa hampirafy ianao, valio ary na dia izany aza:
Nahoana ianao no mijery ny vehivavy hafa raha tsy mikasa hahazo azy ireo ?
Nahoana ianao no mijery foana amin’ny ratsy eny amin’ny vadinao raha mikasa hijanona eo anilany mandrakizay ?
Nahoana ianao no mbola manaiky « namana » tsy mitovy karazany aminao, satria tianao ny sariny, na ho an’ny lahy izany na ho an’ny vavy ?
Nahoana ianao no mandany fotoana mijery sary mamaofady raha tsy hiaraka amin’iny olona iny na oviana na oviana ?
Nahoana ianao ny liana ny amin’ny fiainan’ny olona niaraka taminao taloha ?
Nahoana ianao no mbola mitohy mifandray amin’ilay olona misaritsarika anao any am-piasana ?
Nahoana ianao no tsy manao mihaotra, ka ho fifaliana ny fanambadianao fa tsy vesatra ?
Nahoana ?

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!