.

.

Mba efa noeritreretinao ve izany?


> Lire en français

“Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.” (Malakia 3:18)
 

Rehefa mampanantena antsika Andriamanitra fa ho hitantsika indray ny tsy fitoviana, dia mazava tsara fa izay nataony teo amin’ny fiainan’ireo Mpanompony  tamin’ny lasa dia mbola hataony ihany koa eo amin’ny fiainan’ireo Mpanompony ankehitriny.
Ankoatran’izany, dia tombony ho Azy tokoa ny maneho izany fahasamihafana izany eo amin’ireo manompo Azy sy ireo izay tsy manompo Azy.
Nano izany fahasamihafana izany Izy teo amin’ny fiainan’I Noa, Joba, Isaka, Mosesy, Josoa sy ireo rehetra izay natahotra Azy ary nandeha araka ny Fahamarinany.
Ary raha miresaka fahamarinana ihany isika, jereo anie hoe ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka. Nahoana moa no tsy eo amin’ny marina sy ny tsy marina?
Satria ny tsy marina dia vetaveta izy.
Vetaveta izy satria tsy mijery ny vidin’ny fanavotana izay naloan’ny Tompo;
Vetaveta izy satria ariany ny Fanatim-pamonjenan’ny famonjena azy;
Vetaveta izy satria tsy nanome lanjany izay Nataony  mba ho voavidy indray;
Vetaveta izy satria tsy mijery ny Tompo mihitsy;
Vetaveta izy satria tsy mihevitra ny sorona rehetra izay nataon’i Jesosy ho azy.
Eny, tokony hisy fahasamihafana mihoatra noho ny ara-dalana, manaitra ary hita maso mba tsy hisian’ny fisalasalana eo amin’ireo izay avy sy tsy avy amin’ Andriamanitra.
Jesosy dia namerina izany teny fikasana izany rehefa niteny: “Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.” (‘Jean 7:38)
Tsy haiko eritreretina izany hoe hino an’i Jesosy Tompo araka ny Baiboly Masina nefa na dia izany aza hanana fiainana mitovy na ratsiratsy kokoa amin’ireo izay tsy mino. Tsy rariny izany avy amin’Andriamanitra. Aiza moa no ho rariny izany?
Mba efa noeritreretinao ve izany?
Manambara finoana an’i Jesosy ianao nefa miaraka amin’izany dia sombitsombin’ny afobe kely ny fiainanao any an-tranonao, any amin’ny asa, any am-pianarana, eny an-dalana, izany hoe, tsy manana fiadanana, fifaliana... ianao. Mahatsapa fifaliana ihany ianao rehefa mandresy ny ekipanao ary na dia izany aza dia hafaliana mandalo izany.
Sady mbola mpitantana olana ihany, aretin’an-doha lava, tsy fahitan-tory, fahakizintinana, fikorotanan-tsaina, alahelo, faniriana hamono-tena, fanina, fiainam-pianakaviana mahatsiravina, zanaka maditra, fisarahana eo anivon’ny fianakaviana sy ny sisa...
Ary na izany aza dia mbola misisika foana ianao hoe mino an’i Jesosy...
Inona avy ary no tena diso: ny finoany an’i Jesosy no tsy marina sa ny teny fikasan’Andriamanitra no tsy marina?
Nefa, araka ny finoana velona sy marina, izay mino an’i Jesosy dia tokony hanana fiainana hafa noho ny fiainan’ireo izay tsy mino. Tsy hay atao izany hoe mino Azy araka ny Teniny nefa tsy hisy fahasamihafana.
Marina sa tsia?
Noho izany, ny alahadyfaha-23/09/12 – manerana ny Fiangonana FVKFM rehetra, dia ao anatin’ny Fanahy iray ihany isika, ao anatin’ny finoana iray ihany, fo iray eo anatrehan’ny Seza Fiandrianan’ny hiaraka amiko.
Izay tsy mino, andraso kely...

 

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!