.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela



Fantatrao ve fa ny Malagasy iray dia mihinana siramamy 10 kg isan-taona? Amin’ny ankapobeny indray eran’izao tontolo izao dia 20 kg. Antony mahatonga aretina maro ny siramamy. Misy ireo izay miaro ny tsy fihinanan-tsiramamy eo ambony latabatra ka manolo izany amin’ny tantely, siramamy voajanahary na ny édulcorant. Androany dia hataontsika andro tsy fihinanana siramamy.

 
Oviana ianao no nitondra olona farany ho ao amin’i Jesosy Tompo? Tokony hisahirana amin’ny famonjena fanahy ny kristianina iray isan’andro. Fa indraindray isika misisika manasa an’ireo olona tsy mety manaiky an’i Jesosy (amin’izao aloha), ka hadinontsika ireo izay tena mangetaheta an’izany. Mivavaha ho amin’izany androany, mangataha amin’Andriaanitra mba hasehony anao ny olona izay tena mila Azy, ary mba homeny fahendrena ianao hampahafantatra Azy an’io olona io.
Mba hivoarana, dia mila fandaminana, fahazavana ary saina salama. Tsy afaka manana saina salama isika raha toa mikorontana tanteraka ny toeram-piasantsika, ny toeram-pianarana, ny solosaina, na ny efitranontsika aza na ny birao. Noho izany androany dia hanokana adiny iray ianao handaminana ireo korontana rehetra ireo.
Tsy mila fanazavana ny asa sasany.
Rahampitso indray.



Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!