.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela



Mampanantena fitahiana Andriamanitra ho an’ireo olona manetry tena sy ho an’ireo voaetry. Io fampianarana sy teny fikasana io no hodinihinao androany.

 
Fisorohana ny aretina: aza miandry areti-nify vao mankany amin’ny mpitsabo nify, na miandry aretina hafa vao mankany amin’ny mpitsabo. Ny fomba tsara indrindra hisorohana ny olana dia ny fanaovana fizahana manontolo manara-potoana.
Fifandraisana amin’olona: hanampy anao ny asanao androany hieritreritra misimisy kokoa ireo olona maro izay manodidina anao. Misy ireo izay tsy dia mila mihaino ny feonao intsony …ary misy ireo izay mila maheno kokoa ny feonao.
Ara-bola: tadidinao ve ireo asa tamin’ny roa andro voalohan’ity vinavina ity, momba ny trosa? Izao àry, fenoy ilay asa dia mamarita daty iray, kajio hoe hafiriana no ilainao handoavana ny trosanao rehetra. Soraty amin’ny toerana mora hita io daty io dia ataovy ny rehetra hanakaranao ny tanjonao.
Fivoarana: raha mpitan-tsoratra ny asanao dia mividiana boky momba izany hanatsaranao ny asanao. Raha mpanjaitra ianao, dia mividiana boky momba ny fanjairana. Izany hoe, aoka ianao hikatsaka ny hanatsara hatrany ny fomba fiasanao, miaraka amin’ny olona iray mahay noho ianao.


Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!