.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela



Ny hoe manomboka ny tontolo andro miaraka amin’Andriamanitra dia tena fanombohana tsara.Aoka ho fantatrao izany androany rehefa avy niaraka Taminy ianao nandritra ny 10-15 minitra voalohany, taorian’ny fifohazanao. Mba tsy hahamaika dia mifohaza mialoha.

 
Zavatra anisan’ny tena tsara ho an’ny fahasalamanao ny misotro rano. Maro ny vokatsoa azo avy aminy ka tsy ho voatanisa eto. Ampy ny milaza hoe roa am-pahatelon’ny vatanao dia rano avokoa. Noho izany, misotroa rano.
Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa mialoha làlana ny voninahitra ny fanetren-tena. Fanetren-tena ny mangata-pamelana ary afaka manasitrana ny fon’ilay olona voaratra. Eritrereto ny olona iray izay voaratranao vao haingana, na efa elaela, nefa ianao mbola tsy nangata-pamelana taminy. Manetre tena, homem-boninahitra ianao amin’izany.
Eo amin’ny ara-bola, hevero ilay fanontaniana apetraka. Matetika isika voatosiky ny fandaniana sy ny dokam-barotra ka mividy zavatra mihoatra izay ilaintsika. Ary indraindray tena lehibe ilay fakam-panahy hividy ka mandoa in-3, 6, 12 na 300. Hevero ny efa napetrak’Andriamanitra ho an’ireo Zanany : “Tsy hindrana ianao…” Io fahazarana vaovao io dia mety hanafoana ny trosanao sy hialana amin’ny fiainam-pitsitsiana amin’ny ho avy.
Rahampitso indray.



Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!