.

.

Vinavina ho amin’ny Fifadian-kanin’i Daniela



Ianao izay mbola ao anatin’ity fanamby ity, miarahaba anao indray mandeha indray! Amin’izao fotoana izao ianao dia nahavita ny antsasak’ity vinavina ity, izany hoe azo antoka fa ho tody hatrany amin’ny farany ianao. 



Afaka mihinana chocolat mihitsy ianao ho valisoanao androany… Mendrika izany ianao. Fa mba hijanonanao hatrany ato anatin’ny vinavina dia aza manao zavatra diso tafahoatra loatra.
Nampianatra antsika Jesosy hivavaka isan’andro mba tsy hamelan’ny Ray antsika ho tafiditra ao anaty fakam-panahy. Im-betsaka no hadinontsika izany. Ny asanao androany dia ny mamantatra hoe inona no maka fanahy anao, ka roahy ny ratsy.
Tsaroako hatramin’izao ilay boky “Manaraka ny dian’i Jesosy” izay nomen’ny namako iray ahy, fotoana fohy taorian’ny nahatongavako tao am-piangonana. Dingana tena manan-danja teo amin’ny finoako izany. Manana boky maro ny FVKFM, ho an’ny mpamaky isan-karazany, ary afaka maka an’io boky io ianao, izay tsy ampiasainao intsony, eo amin’ny fitoeram-bokinao, na mividy vaovao ka omeo olona iray any am-piasanao, miara-mianatra aminao, na olona any anaty fitateram-bahoaka na toerana hafa andehanan’ny be sy ny maro. Fomba iray io hahatonga an’io olona io hahafantatra an’Andriamanitra na hahazo hery ao Aminy.
Andeha ary hanao ireo asa ireo, ary aza mijanona an-dàlana. Rahampitso indray.
“Ny faharetana dia ny asa mafy ataonao rehefa reraka avy nanao ny asa mafy efa vitanao ianao.” Newt Gingrich



Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!