«Vonjeo izay entina hovonoina, ary enga anie ka mba haravoanao izay mangozohozo efa mby eo am-pamonoana !» (Ohabolana 24 :11)
Ny alahady faha-29 jolay teo dia tena niavaka indrindra ho an’ny Raintsika. Ireo Zanany nanalavitra dia niverina. Ny alahadin’ny Takalon’ aina, dia 23 ireo fanahy natao batisa na dia tsy noeritreretina hatao aza izany, fitarihan’ny Fanahy Masina ho an’ny famonjena ireo fanahy maro tokoa izany.
Afaka azo an-tsaina ny fifaliana izay nisy tany an-danitra tamin’io andro androany io.
Tamin’ny nanaovany sorona ny Zanany lahy tokana, dia nandoa ny Takalon’aina ho antsika rehetra Andriamanitra ka tsy an’ny devoly intsony isika. Na dia izany aza dia antsika ny manao ny safidy tsara sy mandray ny fanapahan-kevitra tsara mba tsy foana ny Sorona nataony. Ary tao anatin’izay fanahin’ny famonjena fanahy izay no nahatonga ny mpikambana sy ny mpanompo rehetra niray fanahy hamonjy ireo izay efa tao am-bala na ihany koa ieo izay vao hiditra.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire