.

.

Ireo Mpanalavitra - Tapany I


 Avo Indrindra. Hosarihiny any amin’ny afobe ny fanahinao. Ilaina fotsiny ho faty ianao eo am-panalavirana izay nanome ilay Mpamela heloka sy Mpamindra fo izay, indray Ny tantara rehetra ao amin’ny Baiboly dia voafehy ao amin’ireo mpanalavitra sy ireo voavonjy. Raha somary dinihina ireo Voasoratra, dia hitantsika fa ny tranga voalohany amin’ny fanalavirana ny fanatrehan’Andriamanitra dia tany an-danitra no nisehoany.

Niaina teo akaikin’ny Mpahary azy i Losifera, tao amin’ny sahan’ny Edena. Nanao ny famantarana tamin’ny fahatontosana tanteraka izy, feno fahendrena, lafatra tamin’ny fahatsaram-bika.

Rakotr’ireo karazam-batosoa sarobidy maro izy,

Kerobima voahosotra izay manaloka izy; tao an-tendrombohitra masin’ Andriamanitra no nisy azy; izany hoe tonga lafatra izy (Ezekiela 28).

Noho izany, teraka tao am-pony ny avonavona, izay nahatonga azy hihevitra fa afaka miakatra any an-danitra izy, manandratra ny seza fiandrianany eo ambonin’ireo kintan’Andriamanitra ary mipetraka eo an-tendrombohitry ny fiangonana. Naniry hitovy amin’ny Avo Indrindra izy (Isaia 14:13-14). Naniry hangalatra ny Voninahitr’ Andriamanitra izy, ka nahatonga ny ampahatelon’ireo anjely hanalavitra ny fanatrehan’i Jehovah.
Nankinin’Andriamanitra tamin’i Losifera ireo anjeliny, nefa satria Izy manan-kery amin’ny zavatra rehetra, mahay ny zavatra rehetra ary amin’ny toerana rehetra, dia hitany ilay faniriana ny hihodina tao am-pony, ary dia tsy nanan-tsafidy intsony Izy ka dia nandroaka azy hiala tany an-danitra.

Rehefa nianjera tety an-tany i Losifera dia, vitany ny nampanalavitra an’i Adama. Ity farany, voatariky ny “tompo” – eny, tompon’ireo mpanalavitra – dia tsy nankato an’Andriamanitra ary ihany koa nanalavitra ny Tsitoha. Dia izay! Nanangana ny fanjakany tety ambonin’ny Tany i Satana.
Etsy an-daniny, ny tafika ara-panahin’ireo mpihodina nanalavitra, etsy an-kilany kosa, ny olombelona taranak’ilay mpanalavitra voalohany – ary takatro amin’izay ny antony “ … ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1Jaona 5:19).
Ny mahaliana dia, miverina ny tantara amin’izao andro izao. Hitantsika ilay nitoriana dia manalavitra ary mitsangana manohitra ilay izay nitory taminy; mipetraka eo amin’ny toerana mitovy na mbola avo kokoa noho izy aza, nandritra ny taona maro izy, nanome ny fiainany hanafaka azy, hampianatra azy, ary amin’ny farany, hametraka eo an-tanany ministera iray.

Ny hambom-po tao aminy dia nahatonga azy hiodina, tahaka an’i Losifera: “Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; efa nahasimba ny fahendrenao mbamin’ny famirapiratanao hianao; nazerako eny an-tany hianao sady natolotro ho fitalanjonan’ireo mpanjaka.” (Ezekiela 28:17).
Ny tompon’ireo mpanalavitra dia nanajamba ny fihevitr’izy ireo, hany ka an-koatra ny hoe ny tafiky ny ministerany dia voarafitry ny mpanalavitra koa, izy dia mikarakara ilay olona izay azony ny fanahiny ary ampahalalany ny filazantsara, miaraka amin’ny, raha kely indrindra ny tsy fanajana.

Eto aho dia voatery mamela fampitandremana ho an’ireo rehetra izay nanalavitra ny fanatrehan’Andriamanitra, sy ireo izay mbola alaina fanahy hanao izany fahadalana izany: mihazakazaha miverina eo an-tratran’i Jesosy Tompo. Satria ny tompon’ireo mpanalavitra no “rain”’ireo rehetra nanalavitra ny andro te hamonjy anao nefa nolavinao Izy. Te-hiaina mandrakizay miaraka amin’izany karazana “ray” izany ve ianao?

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!