.

.

Groupe Jeune: FAMBOLEN-KAZO TAO AMPANOTOKANA



Ny faha-11 Martsa teo dia andron’ny asa manokana ho an’ny fiangonana F.V.K.F.M. Ny tanoran’ny fiangonana, izay ao anatin’ny ‘Groupe Jeune Nouvelle Génération’ dia nanohy ny asa fambolen-kazo fanaony isan- taona tao amin’ny Kaominina ambanivohitr’ Ampanotokana. 


Tamin’io andro io dia, namerina namboly zana-kazo (eucalyptus) miisa 3000, hanoloana ireo tsy naniry tamin’ireo zana-kazo aman’aliny nambolena efa ho telo taona nifanesy izay. Nosoloina zana-kazo vaovao ireo tsy naniry. Ankoatra izany dia, nanao asa fikolokoloana sy fiarovana ny faritra fambolen-kazo ao Ampanotokana koa ireo tanoran’ny F.V.K.F.M. ireo. Noho izany, nisy fiarovana napetraka manodidina an’io faritra fambolen-kazo io, ary nesorina koa ny ahi-dratsy manodidina ny zana-kazo tsirairay avy izay maniry tsara. Ary feno fanantenana ny Lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna tamin’ny fanambarany, raha nandray an’ireo tanora ireo izy: 

«Nitondra vokany mahafinaritra ny fambolen-kazo nataon’ny fiangonana, efa ho telo taona mifanesy izao. Ianareo no voalohany mamboly hazo eto tamin’ity taona ity. Araka ny hitanareo, tsy mbola nitsahatra ny doro tanety ataon’ny olon-dratsy eto amin’ny kaomininay, fa raha ny tanora rehetra no mitambatra ka manao tahaka izao asa vitanareo izao, dia ho rakotry ny zava-maitso ity fivondronana ity, ary tsy ny eto ihany, fa manerana an’i Madagasikara», izany no nambaran’Atoa Rapoly (Lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna) narahin’ireo solontenan’ny mponina ao Ampanotokana. Fanatanterahana ny andraikitry ny tanora amin’ny firenena, amin’ny lafin’ny tontolo iainana, izany no tanjon’ny asa fambolen-kazo nataon’ny tanoran’ny F.V.K.F.M. Izany no mahatonga ny hoe amin’ity taona ity, ny marimarina kokoa, ny Asabotsy 17 Martsa ho avy izao, dia mbola handeha hamboly zana-kazo vaovao miisa 5000 fototra any amin’ny faritra fambolen-kazo vaovao iray ao amin’ny Kaominina ambanivohitr’ Ambo- himanambola. Andriamanitra anie hitahy an’io faritra faharoa io mihoatra noho ny faritra voalohany.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!