Ny herin’i Gideona dia hita tao anatin’ny fiko- miany. Izany moa dia tsy tao anatin’ny fony, fa tao anatin’ny fanahiny.
Tao anatin’ny fisainany dia nisy ny fahatsapana an’ Andriamanitr’ ireo rai- ny sy ny Zava-mahagaga nataony. Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra, mitoetra eny amin’ny rehetra ary Mahefa ny zavatra rehetra. Izany hoe, Andriamanitra iray tena miasa tokoa!
Tamin’ny alalan’ireo mpanompony mahatoky sy manolo-tena, dia nanafaka olona 3 tapitrisa avy tany Egypta Izy, ary tamin’ny alalan’ny zanak’ireo no namoronany ny firenen’Israely.
Izany dia niteraka fialonana, ary noho izany ny fahatezeran’ny firenena avy any Atsinanana. Ahoana moa no hoe andiana andevo no afaka ho tonga firenena? Samy nanohitra azy avokoa izy rehetra ka tsy niriany hoe ho lasa firenena Israely.
Dia toy izay ihany koa ny Vondrona Kristianin’ny Fanahy Masina manoloana ireo fivavahana maro erak’izao tontolo izao!
Noho ny finoany misaina, i Gideona dia nikomy tamin’ny toe-javatra izay nanjaka tao amin’ny fireneny. Tsy nanaiky izy hino Andriamanitra Lehibe nefa ho ambanin’ny ziogan’ny fanandevozana ataon’ireo fahavalony.
Ny fikomiany dia tsy fihetseham-po tsotra tao am-pony ihany, fa niboiboika avy ao anatin’ny fahiratan-tsainy izany. Ahoana moa no hanekena fanandevozana raha toa ka efa nanafaka azy tamin’izany Andriamanitra? Izay no hoe finoana mahiran-tsaina. Ny finoana arahina fihetseham-po dia tsy manana herim-po hanao fihetsika feno. Tsy manana herim-po hanao sorona ny fiainany ho an’ny famonjena, vao maika aza moa mba handrombahana voka-tsoa. Fa kanosa sy andevozin’ny toe-javatra ivelany izy.
Mifanohitra amin’izay anefa, tsy mitranga izany rehefa misaraka amin’ny fihetseham-po ny finoana! Tsy manaiky fiainana kely, fadiranovana sy tsy mendrikaizy…
Raha Ray sy Tompon’izao tontolo izao i Andriamanitra, afaka miaina ao anatin’na fiainana tsy dia misy hatsarana ve ny Zanany?
Mino ve ianao fa ny finoana mahira-tsaina, mihoatra noho ny voajanahary sy mahay dia hanaiky izany? …
Ny zanaky ny aizina ihany no manaiky izany!
> retour aux messages
> retour aux messages
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire