.

.

Ny fifanekena amin’Andriamanitra



Ny fifanekena na fifandraisana iray dia midika fiaraha-miasa eo amin’ny olona roa na maro. Ny fanambadiana no tena fifanekena lehibe indrindra amin’ny maha-olombelona maneho izany. Izany dia azo hazavaina amin’ny hoe ny roa tonta dia mifanaiky firotsahana ara-panahy ihany: finoana sy fitiavana. Eo amin’izany fototra izany, ny fifampiankinana dia tsy manam-petra mandra-maty.
Mampalahelo nefa fa ny fanambadiana dia tsy raisina am-pamatorana intsony amin’izao vanin’androntsika izao. Ny maha-zava-dehibe azy dia tsy misy fiantraikany raha tsy amin’ny fankalazana azy hatramin’ny volan-tantely ihany. Kanefa, ny lanjany ara-panahy sy mandrakizay dia notazomina, raha ny fiandohany ao amin’ny Fahariana no jerena, mikasika ny fifanekena natao teo amin’Andriamanitra sy ny olombelona. Teo amin’ny lafin’Andriamanitra, Adama sy Eva dia nahazo ny Tany sy ny fahefana hanjakazakana eo ambonin’izay rehetra tao. Teo amin’ny lafiny maha-olombelona kosa indray, Andriamanitra dia nitaky fankatoavana ny Teniny fotsiny. Koa araka ny fifanarahana tamin’io fifanekena io, ny olombelona dia nanana zo ny hahazo ny REHETRA izay an’Andriamanitra ary torak’izay ihany koa ny an’Andriamanitra
Fifampitokisana, fifanajana, firahalahiana sy fanoloran-tena no toetra tsara akaiky ny fitavana sy ny finoana. Ahoana moa no fomba hitakiantsika amin’ny namantsika ny hanatanterahiny ny adidiny raha toa ka tsy manatanteraka ny adidy nataontsika teo amin’ny alitara isika? Izany ihany koa dia miasa amin’Andriamanitra. Ahoana no fomba hitakiana ny Teny Fikasany raha toa ka tsy mankato ny Teniny isika?
Mino aho fa raha manatanteraka ny anjarantsika ao amin’ny fifanekena amin’Andriamanitra isika, dia hanan-jo ny hangataka Aminy isika ny fanatanterahana ny Teny Fikasany. Ary Izy, ho takalony izany, dia voatery hanatanteraka ny Anjarany.
Alahady 5 jona 2011 @ 7 ora sasany
Tongava manatanteraka ny Fifanekenao amin’Andriamanitra!

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!