“Ny miaina tsy misy Fanahy Masina, dia toy ny miaina ao anatin’na trano tsy misy varavarana na varavarankely, ka afaka miditra ao avokoa ny rehetra ka mangalatra” hoy ny Eveka “nefa mba ahafahany mitoetra amintsika dia tokony manafaona ny ao anatintsika isika ka mamela Azy hitarika ny fiainantsika, araka izay hitiavany azy.” Tao anatin’ny fitadiavana ny Fanahy Masina dia nandray fanavaozana ny fiangonana iray manontolo ary maro ireo vita ny batisa ny Fanahy Masina.
Toamasina moa dia tànana lehibe any atsinanan’i Madagasikara, lehibem-paritra mitovy anarana amin’ny faritanin’i Toamasina sy ny faritra atsinanana, 353km miala amin’ny faritra avaratra-atsinanan’Antananarivo. Toerana iraisan’ny fihaviana rehetra nefa betsimisaraka moa no tena maro ao. Ankoatra ireo foko hafa ao anatin’ny nosy, dia ny fiarahamonina sinoa no tena betsaka ao (metisy no tena maro), fiaraha-monina indo-pakistanaise, nefa eropeanina ihany koa. Miaraka amin’ny mponina mihaotra ny 200.000 dia izy no tànana betsaka olona indrindra eto Madagasikara, ao aorian’ny renivohitra ary eo alohan’Antsirabe sy Mahajanga.
> Lire en français
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire