.

.

Ambonin’ny Fanahy Masina



Rehefa niteny i Jesosy hoe: «Raha misy mihinana amin’ity mofo ity, dia hiaina mandrakizay izy», miaraka amin’ny faniriana hoe handray ilay mofo (ny Fanahy Masina) ireny olona ireny, ka nandefa ny Mpanompony Izy hiteny amin’ireo nasaina mba ho avy satria efa vonona avokoa ny rehetra. Nefa nanomboka nanome fialan-tsiny izy ireo, ka hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy. Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy. Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin'izany tsy afaka mankany.
Raha ny marina dia naneho mazava tsara izy ireo fa ny fandrombahany ara-materialy na ny fianakaviany aza dia mbola ambonin’i Jesosy.
Amin’izao vanin’androntsika izao, misy ireo olona izay mametraka ny fananany na ny fianakaviany ho ambonin’ny Fanahy Masina, ka maneho fialan-tsiny foana; fa raha ny marina tsy misy antony tokony hametrahana ny Fanahy Masina ho faharoa. Tsy tonga saina mantsy izy ireo fa mora maty avokoa izany rehetra izany, fa ny fanahy no velona mandrakizay.
Rehefa nilaza i Jesosy Tompo fa hiaraka amintsika foana ny Fanahy Masina dia tsy te hilaza izy hoe, raha mbola velona isika, fa mandrakizay.
Mikasika ireo nasaina izay nanamavo ny ara-panahy, noho ny ara-materialy na koa ny fianakaviana, Jesosy dia nilaza hoe : «Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.» Hanana fananana izy, fa tsy ho sambatra. Amin’ny alalan’ny finoana dia afaka hahazo fiara, hividy tany na koa hanambady izy, fa raha tsy misy ny Fanahy Masina dia tsy hay atao ny hanana fiadanana sy hafaliana. Ireo izay feno ny Fanahy Masina ihany no afaka hilaza ny tenany hoe sambatra.
Ny olana dia tsy amin’ny fandrombahana zavatra. Ny olana dia ny hoe rehefa apetraka ho ambonin’ny Fanahy Masina izy ireny.

                                                                                     >  Lire en français

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!