.

.

FANAHY MASINA




Maro ny olona maheno mikasika ny hoe Fanahy Masina, miteny amin’ny teny tsy fantatra, sns… Fa mandr’ankehitriny anefa dia mbola tsy takany tsara izany ny dikan’izany zavatra izany. Na dia tsy hoe iditra amin’ny antsipirihiny aza, dia hiezaka isika hanome fanazavana mikasika ny Fanahy Masina sy ny fifandraisany amin’ny Kristianina niova fo.           
Tsy hiteny mikasika ny maha-zava-dehibe ny fitadiavana, ny fahazoana ary ny fitazomana ny batisan’ny Fanahy Masina ho an’ny kristianina iray isika. Izay mantsy no antok’Andriamanitra noho ny amin’ny famonjena antsika. Izy no hery mamela ny kristianina iray ampihatra ny Tenin’Andriamanitra ary aharitra hatramin’ny farany (na dia izany aza dia tsara ny manamarika mba anazavana ny zavatra, fa ny Fanahy Masina dia tsy manakana ny kristianina iray tsy hianjera ao anatin’ny fahotana sy hiverina amin’izao tontolo izao, ka hanary ny famonjeny. Ny Fanahy Masina dia manampy ilay mino, fa tsy manaisotra ny fahafahany hifidy izay tsara ho azy). 
Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra ao anatintsika. Tsy hoe miaraka amintsika, fa ao anatintsika. Ny zava-tsoa aterak’izany, mazava ho azy dia tsy manam-pahataperana.
Noho izany àry, ahoana no fomba ahazoan’ny olona iray ny Fanahy Masina?
Ireto avy ireo dingana afaka nohalalianay tamin’ny alalan’ny Baiboly sy tamin’ny alalan’ ny fiainan’ny mino maro maneran-tany.  
Voalohany: Ilay olona dia maheno mikasika ny fisian’ny Fanahy Masina sy ny teny fikasana ny amin’ny andraisana Azy. Raha mamaky ity izany ianao dia efa nahavita ny dingana voalohany.
Faharoa: Mino ilay teny fikasana ilay olona ary maniry andray Azy. Zava-dehibe tokoa izany ny mahatakatra fa eto amin’ity dingana ity, ny Fanahy Masina dia fampanantenana ataon’Andriamanitra amintsika avy amin’ny Fahasoavany sy ny Fitiavany. Tsy mendrika ny andray Azy isika, kanefa afaka mitaky izany zo izany, toy ny ataontsika mikasika ny teny fikasana hafa momban’ny fanasitranana, famelana-keloky ny ota, sns. Ny Fanahy Masina dia tsy milatsaka amin’ny olona noho ny fahamendrehany fa noho ny finoany.
Fahatelo: Ilay olona dia manomboka mitady fatratra ilay teny fikasana, ary izany mihaotra noho ny fitahiana hafa izay mety iriany. Raha ny Fanahy Masina no tsy lohalaharana ao anatin’ny fontsika, tsy ho faharoa mihitsy Izy. Ny faniriana ho vitan’ny batisan’ny Fanahy Masina dia tokony ho mafy kokoa noho ny faniriana hitolona mba ahazoana fitahiana hafa. Izay faniriana izay no lasa laharana voalohany ao anatin’ny vavak’izay mitady Azy.
Fahaefatra: Tonga saina ny amin’ny tokony hanamasinany ny tenany ilay olona. Izany mantsy dia satria tsy misy misotro rano amina vera maloto- voalohany aloha dia sasana ilay vera, avy eo vao fenoana rano izy. Ny Fanahy Masina dia ilay ranon’aina velona; ilay olona dia ilay vera, na koa ny Tempoliny. Alohan’ny idinan’ny Fanahy Masina amina olona iray mba Hitoerany ao dia mila manamasina ny tenany aloha izay olona izay ary mitahiry izany mba hadio. Izy io, na lahy, na vavy, dia tokony mandao ary miaina lavitry ny fahotana. Izany rehetra izany dia manomana ny fon’ilay olona ho an’ny fihavian’ny Fanahy Masina.
Fahadimy: Mandritran’ny fotoana izay itadiavan’ilay olona an’ilay batisan’ny Fanahy Masina amin’ny alalana fivoriam-bavaky ny Fanahy Masina, fifadian-kanina, alim-bavaka, vavaka samirery, fandalinana ny Tenin’Andriamanitra, fiderana sy fitsaoana, fanetren-tena sy ny faniriana marina ao anatin’ny fo; ny Fanahy Masina manomboka eo dia voasarik’ilay olona toy ny tantely voasariky ny voninkazo.
Fahaenina: Ao anatin’ny fotoana izay hiha-lehibeazan’ilay faniriana ahafantatra an’Andriamanitra, sy amin’ny fotoana hitoeran’izay ao anatin’ny fon’ilay olona iray, dia avy ihany ny Fanahy Masina, ka manao batisa an’ilay olana amin’ny Fanatrehany. Izany dia midika fa ny Fanahy masina dia tonga ao anatin’ilay olona mba itoetra ao mandrakariva. Izany fotoana izany matetika dia voamarika amin’ny fifaliana feno fitiavana sy fahatokiana ao anatin’ny fo. Manomboka eo dia mahatsapa fahasambarana ilay olona. Mahatsapa fitiavana lehibe ho an’Andriamanitra, sy ny olona hafa ihany koa izy, eny na dia ho an’ny fahavalony aza. Misy fahatokiana iray mitsofoka ao am-pony, manamafy fa an’Andriamanitra Izy ary tsy misy hanozongozona izany- na ny tahotra, na ny fahakiviana, na olana hafa.
Fahafito: Ilay olona dia miteny amin’ny teny tsy fantatra. Izany teny izany dia fantatra ao anatin’ny Baiboly tahaka ny hoe “fitenin’anjely.” Ny tanjon’izany fiteny izany dia ny hamela ny kristianina hivavaka amin’ny fomba iray ahafahan’ny teniny ho lasa fampandrosoana ho azy manokana. Ary izany dia mitranga mandritran’ny fotoanan’ny batisa. Mandritran’ny fiderana an’Andriamanitra, dia manome teny vaovao ahafahan’ilay olona miresaka Aminy Andriamanitra. Amin’ny voalohany, mety ho teny roa fotsiny izany- kanefa izany fanomezam-pahasoavan’izany dia mihitatra ary miha-mazava, mandritran’ny fotoana hitohizan’ilay fiderana. Manan-danja tokoa ny manamarika fa rehefa vita batisan’ny Fanahy Masina marina ny olona iray dia miteny amin’ny teny tsy fantatra izy. - Tsy misy izany hoe olona iray vitan’ny batisan’ny Fanahy Masina fa tsy miteny amin’ny teny tsy fantatra izany- raha tsy hoe angaha tsy ampiasain’ilay olona ilay fanomezam-pahasoavana.
Fahavalo: Niova tanteraka ny fiainan’ilay mino ao aorian’izay traikefa izay. Ny toetrany koa dia toy ny toetran’ Andriamanitra. Izay antsoin’ny Baiboly hoe “vokatry ny Fanahy” dia manomboka miseho ho azy eo amin’ny fiainan’ilay olona. Izay no porofo mazava ny batisa- ireo vokatra.
Raha toa izany ianao ka manakam-po ny hanana ny Fanahy Masina - Andriamanitra ao anatinao - dia tokony hanaraka tsara ireo dingana etsy ambony ianao. Aza misahiran-tsaina amina fanontaniana sy antsipirihiny ianao- minoa fotsiny ihany. Minoa ny teny fikasana ary tadiavo amin’ny finoana izy. Maika ny hanome ny Fanahiny, mihaotra noho ianao izay maniry Azy Andriamanitra, azo antoka izany. Na dia efa mazava aza izany, mbola teneniko ihany: ny fiainanao tsy ho toy ny taloha INTSONY ao aorian’ny fihavian’ny Fanahin’Andriamanitra aminao. Tsy ho toy ny taloha intsony.  Minia tsy mahalala ny Fanahy Masina dia anjaranareo ny mizaka izay mety ny vokany.      

                                                                                                  > Lire en français 


3 commentaires:

rija jean zico a dit…

ny olona anankiray rehefa mandray ny fanahy masina dia tsy midika hoe miteny amin,ny teny tsy fantatra fa tsapa ao anaty ary amin,ny alalany voa ao anaty fa ianao mbola tsy nandray ny fanahy masina dia tadivinao amin,ny fo rehetra ary mila tapahinao ny fifandraisana amin,ny izao tontolo izao dia midina ao anaty ntsika izy

rijajean zico a dit…

angamba antsika mety diso hevitra hoe olona rehetra dia samy zanaka adriamanitra avokoa nefa jesosy niteny hoe raha tsy manana ny fanahiny kristy tsika dia tsy azy izany dia tokony itadiavantsika ny fanahy masina aty ampiangonana mba afahantsika mahazo antoka hoan,ny famonjena ny fanahy ntsika zico

rija jean zico a dit…

Ny tenantsika dia tempolin,ny Fanahy Masina dia tsy tokony lotontsika amin,ny zavatrin,ny izao tontolo izao fa ny tokony atao ntsika dia manamasina ny tenantsika mamaky baiboly ,mifady ny ratsy rehefa manao sorona antsika eo amin,ny fiaianantsika ara panahy eo ny fanahy masina midina ao anaty ntsika dia tsy manapaka tonga mivavaka aty ampiangonana

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!