.

.

MANKATOAVA



Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany hianao; ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao. Hotahina hianao ao an-tanàna, ary hotahina hianao any an-tsaha. Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman-osinao. Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. Hotahina hianao, raha miditra; ary hotahina hianao, raha mivoaka. Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka làlana iray no hivoahany hanatona anao, fa làlana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tànanao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao. Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mandeha amin'ny làlany. Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy. Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao. Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro hianao, fa ianao kosa tsy hisambotra. Dia hataon'i Jehovah ho lohany hianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa hianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy. Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.
Deoteronomia 28.1-14

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!