.

.

HIRAVIRAVY TANANA VE IANAO?


Ny Jeneraly Douglas MacArthur dia tsy noraisina tao amin’ny « Académie Militaire Westpoint, tsy indray mandeha ihany, fa in-droa. Rehefa namerina nanandrana fanintelony izy, dia voaray ka tafiditra tao anatin’ny bokin’ny Tantara.
Ilay olo-malaza amin’ny basket-ball, Michaël Jordan dia nesorina tao amin’ny ekipan’ny fianarany.
Winston Churchill dia nilatsaka in-enina. Ny toeran’ny Praiminisitra dia azony rehefa 62 taona izy, rehefa niaina fiainana feno faharesena sy fanombohana vaovao hatrany. Ny anjara birikiny ara-tsosialy indrindra dia nataony tamin’izy efa “olona antitra”.
Albert Einstein dia tsy nahay niteny tsara mandra-paha-efa taonany ary nianatra namaky teny izy teo amin’ny faha-fito taonany. Ny mpampianatra azy dia nilaza fa “osa ara-tsaina izy, tsy mora mifandray aman’olona ary matetika very ao anatin’ny nofinofy somary adaladala.” Voaroaka tao am-pianarana izy ary tsy tafiditra tao amin’ny Ecole Polytechnique – ny Zurich, any Suisse.
Tamin’ny taona 1944, Emmeline Snively, mpitantana ny “Agence de Modèles Blue Book Modeling” dia nilaza tamin’ilay “candidate” Norman Jean Baker (Marilyn Monroe) hoe: “Tsaratsara kokoa mianatra ‘secrétariat’ na mitady vady.”
Rehefa nanda tarika mpanao rock anglais antsoina hoe “les Beatles” ny mpitantana iray eo anivon’ny “Deca Recording Company” dia nilaza hoe: Tsy tianay ilay gadona. Ireny tarika mpilalao gitara ireny dia tsy manana ho avy.”
Rehefa namorona ny “telephone” i Alexander Graham Bell, tamin’ny taona 1876, dia tsy nahakasika ny fon’ireo mpiantoka izy. Ny filoha Ruthford Hayes dia nilaza: “Tena zavatra mampitolagaga ity, nefa iza moa no haniry hampiasa azy?”
Thomas Edison dia nanao fanandramana in-2000 mba hamoronana ny jiro. Koa nisy mpanao gazety iray mbola tanora tokoa nanontany azy mikasika ireny tsy fahombiazana maro ireny. Namaly ary I Edison hoe: “tsy tsy fahombiazana 2.000 no nihatra tamiko. Namorona ny jiro aho. Ny marina dia hoe nila dingana 2.000 ahatongavana any amin’ny farany ilay izy.”
Teo amin’ny faha-46 taonany dia nanomboka very ny fihainoan’ilay mpamoron-kira alemana Ludwig van Beethoven, ka lasa marenina tanteraka izy. Nefa dia teo no namoronany ny ankamaroan’ny asany, ary tafiditra ao ireo “symphonies” telo teo amin’ny fihafaran’ny fiainany.
Noho izany dia tsy tokony hieritreritra mihitsy isika fa efa vita ny TAONANTSIKA. Raha mbola ETO isika, dia mbola misy zavatra hatrany azontsika atao, izay azontsika hianarana.
Mety tsy nanana ny finoantsika ireny olona ireny. Nefa izy ireo no nanao ny Tantara.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!