.

.

NAHOANA NO TENDROMBOHITRA SINAY?


Ny Tendrombohitra Sinay dia alitara voajanahary, tendrombohitra izay mirefy 2.300 metatra ny haavony, izay miainga avokoa avy ao anatin’ny tany efitra, tena avo raha oharina amin’ireo tendrombohitra rehetra eo amin’ny faritra misy azy.
Fantatra ihany koa amin’ny hoe Horeba, anisan’ny hevitr’io teny io ny hoe “fako” na “faritra tsy ilaina”. Hatramin’izao andro izao dia faritra ao anatin’ny tany efitra, ary tena vitsy ny olona monina ao, misy Bedoanita vitsivitsy, an-jatony, sy mpiandry ondry vitsivitsy miaraka amin’ny andian’ondry.
Ny Sinay dia fitoeran’ny “fakon’ny Egypta”, izany hoe ireo andevo Hebreo dia tonga nitoby tao, taorian’ny niaingany tany amin’ny tany nanandevozana.
Rehefa tonga tao izy ireo, dia tena fakofakon’olombelona tokoa : lehilahy sy vehivavy, zaza, tanora sy antitra, niaraka tamin’ny lamosina izay nisy marika tamin’ny holatry ny karavasy izay nataon’ny mpangeja azy ireo; ny tongotr’izy ireo dia nisy fery vokatry ny asa tao anaty fotaka, isan’andro, tamin’ny fanaovana biriky izay natokana ho an’ny fanorenana ny tanànan’i Farao; ny fitafian’izy ireo dia efa rotika. Nanomboka tamin’ny andro nahaterahany, ny mason’izy ireo dia tsy nahita afa-tsy ny endrika mahatsiravin’ny fanandevozana.
Fa hatreo ihany, teo am-pototr'io tendrombohitra io, no tonga firenena lehibe ireo vahoaka ireo! Andevo izay tsy nisy filaminana ary tsy nanana hiafarana nefa niainga avy teo niaraka tamin’ny bokin’ny Lalàna, izay nomen’Andriamanitra tenany mihitsy, hankany amin’ny tany nampanantenaina. Ary dia niainga izy ireo tao anatin’ny fanànana antoka tanteraka ny amin’ny fanampiana sy ny fiarovan’Andriamanitra mba hahatonga azy ireo ho anisan’ireo firenena izay miroborobo indrindra sy atahorana eto ambonin’ny tany.
Noho izany, ny Tendrombohitra Sinay dia mariky ny fandresena, fitsanganana avy ao anaty lavenona, ny tsy hay atao tonga hay atao, ny osa tonga mahery. Teo ny fako no tonga harena, ary ireo natao tsinontsinona dia nomena lanja. Io tendrombohitra io dia marika ihany koa fa mahita ary mahatsiaro ny vahoakany Andriamanitra, ka tsy mamela azy ireo ho eo ambany fanangejan’ny mpampahory azy.
Ny Sinay no tendrombohitra tokana eto amin’izao tontolo izao izay nametrahan’Andriamanitra ny tongony ka nanovàny tanteraka ny lalàm-pianan’ny vahoakany.
Ary izany no antony handehanantsika mankany! Rehefa eny amin’io tendrombohitra io isika, dia tonga amin’ny fara-tampon’ny finoantsika. Izany zava-nisy rehetra izany dia ho tonga tanteraka satria tsy hamaky fotsiny ny momba ilay toerana ianao – eo anatrehan’ny masonao izy!
Noho izany antony izany, ny Fiangonana FVKFM dia manantanteraka ny Ezaky ny Finoana ao amin’ny Tendrombohitra Sinay, indray mandeha isan-taona. Nanomboka tamin’ny fotoana niakarana tao Sinay ny taona 1980, olona anapitrisany maro no afaka nahazo fandresena goavana noho ireo vavaka izay notanterahina tany.
Ary hiakatra ny Sinay isika mba handrombaka zava-dehibe maro. Hankany isika mba hiova fiainana, hankany isika mba hanapaka ireo toe-javatra sarotra.
Hankany isika hizaha toetra ny finoantsika amin’ny alalan’ny sorona, mba ho takalon’ny fisehoan’ny teny fampanantenan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.
Tena fahafahana miavaka ny fitoerana ho anisan’izany. Fitahiana ny fahafahana mandray anjara amin’ny Ezaky ny Tendrombohitra Sinay.

Aucun commentaire:

Alpha & Omega (VM)

Dieu de Merveilles (VM)

Ah! Quel Jour!